- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Mpianatra telo noafahan'ny fitsarana madiodio

Sokajy: Iràna, Fanabeazana, Fitantanam-pitondrana, Zon'olombelona

Raha inoana ny voalazan'i Daneshjoo blog [1][Farsi], dia noheverin'ny fitsarana iraniana fa tsy meloka ny mpianatra telo izay efa any amponja manana ireto fanampian'anarana manaraka iretoTavakoli,Ghasaban ary Mansouri. Efa voafonja nandritra ny 9 volana izy ireo ary noterena hanaiky [2] fa nanoratra lahatsoratra manaratsy ny fitondrana. Ankehitriny moa dia tapaky ny fitsarana fa tsy namoaka izany lahatsoratra izany mihitsy ry zareo ireo.

 Hamid Tehrani [3]