Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

20 Desambra 2007

Tantara tamin'ny 20 Desambra 2007

Libanona: Raha foana tahirin-tsolika

“Halavirana hatraiza no vitan'ny fiaranao rehefa manamarika (mena) ny tabilao fanamoriana fa lany ny tahirintsoliky ny fiaranao?” hoy ny fanontanian'ny mpamaham-bolongana Libaney Mark, izay te-hampilaza amin'ny mpamily fiarakodia hoe hatramin'ny firy kilometatra moa no vitan'ny fiara entinao rehefa voatondro ny faritra mena fahalanian'ny solika ao aminy. Amira Al Hussaini

Neo Zealand: Facebook sy ny politika

Nohazavain'i Kiwiblog ny iray amin'ny iditra Facebook iray antsoina hoe NZ Politics ho an'ny Neo Zealandey. “Fidianao izay antoko politika tohananao, dia jerena avokoa avy eo izay tohanan'ny namanao rehetra. Afaka misafidy ianao na aseho vahoaka na tsia ny safidinao.” Preetam Rai

Iran: Mpianatra telo noafahan'ny fitsarana madiodio

Raha inoana ny voalazan'i Daneshjoo blog[Farsi], dia noheverin'ny fitsarana iraniana fa tsy meloka ny mpianatra telo izay efa any amponja manana ireto fanampian'anarana manaraka iretoTavakoli,Ghasaban ary Mansouri. Efa voafonja nandritra ny 9 volana izy ireo ary noterena hanaiky fa nanoratra lahatsoratra manaratsy ny fitondrana. Ankehitriny moa dia tapaky ny fitsarana fa...