- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Koety: krizin'ny atody

Sokajy: Koety, Fahasalamàna, Sakafo

Mpamaham-bolongana Koesiana Nibaq no mamakafaka lalindalina ao amin’ ity lahatsoratra ity [1]  ny anton'ny krizin'ny atody ao amin'ny firenena misy azy. Nambarany ao ary fa raha mahatratra 1.000.000.000 ny isan'ny atody lanin'ny firenena ao anatin'ny taona dia ny 40 isan-jaton'izany ihany no mba vokatry ny ao an-toerana fa ny ankoatra izay dia atody afarana avy any Arabia Saodita, Jordania, Syria ary India. Anisan'ny nampihena be dia be ny vokatra ihany koa moa ny gripam-borona

Amira Al Hussaini [2]