- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bahrein: Mpanao fihetsiketsehana maty

Sokajy: Bahrain, Fanoherana, Politika, Vaovao Mafana

Bahrainita iray nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana nanamarihana ny andron'ny maritiora iray no nodimandry, hoy ny tatitry [1] Mahmood Al Yousif . Notateriny ary fa noho ny fahasemporana tratran'ny fipoahan'ny entona mandatsa-dranomaso no nahafaty ity mpanao fihetsiketsehana ity raha nolazain'ny minisitry ny atitany fa noho ny aretim-po no nahafaty azy. Mbola mitohy moa ny fihetsiketsehana ao Bahrein.
Amira Al Hussaini [2]