- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Cap-Vert : Atsaharo ny fanendahana ! (tohiny)

Sokajy: Cap Vert, Hafanàm-po nomerika

Ha fanampim-baovao mikasika ny raharaha fanendahana any Cap-Vert, ny mpiblaogy Pedrabika dia manolotra lisitra blaogy izay ahafahana manaraka ireo adihevitra efa nisy [1] sady manasa ireo mpamaky mba hijoro vavolombelona sy hizara izay tantara nanjo azy, tsahivina fa mikasa ny hanao hetsika ry zareo ny Zoma 14 Desambra 2007 mba ho fanoherana ny tsy fandriam-pahalemana :

« Vamos juntar todos os depoimentos e compor uma grande carta a ser entregue às autoridades e apresentado à sociedade. »

« Andao hatambatra daholo, hanjary taratasy lehibe hoan'ireo mpitondra ny fijoroantsika vavolombelona ary habaribary eo anivon'ny fiaraha-monina. »

[Ity dia mbola tohin’ilay lahantsoratra efa notaterina teto ihany : Atsaharo ny fanendahana [2]]

Paula Góes [3]