Ny mpiblaogy Cynthia Semírami dia lasa mizara izay eritreriny manoloana ny fivoahan'ny tatitra farany mikasika ny elanelana misy eo amin'ny lahy sy ny vavy izay navoaky ny World Economic Forum, izay vokatry ny fandinihana ny toe-draharaha eo anivon'ny firenena miisa 128 (izay sahabo ho 90%-n'ny mponina eran-tany). Marihina fa laharana faha-74 i Brazila :
É interessante observar que as mulheres são força expressiva nos movimentos sociais, mas raramente ascendem aos cargos de liderança, ou entram diretamente para a política. Reverter essa situação é fundamental para a igualdade entre os sexos.
« Mahatsikaiky ny manamarika fa ireo vehivavy no hery mpivoy ireo hetsi-bahoaka hoan'ny fanatsarana ny fiaraha-monina, kanefa dia an-kavitsiana no ahatrarany ny toeram-pitondrana, na idirany avy hatrany amin'ny toerana pôlitika. Tena tsy maintsy misy fanovana mihitsy ny toe-javatra toy izany raha te hihazo ny fitovian-jo eo amin'ny vavy sy ny lahy. »
1 hevitra
Ireo loha-laharana :
01 Soeda | 02 Norvezy | 03 Finlandy | 04 Iceland | 05 Neo Zealandy | 06 Filipina | 07 Alemana | 08 Danmarka | 09 Irlandy | 10 Espana | 11 Fanjakana Mitambatra [UK] | 12 Holandy | 20 Afrika Atsimo [voalohany amin’ireo afrikana]
Ireo manodidina an’i Madagasikara :
40 Soisa | 51 Frantsa | 81 Indonesia | 82 Shypra | 83 Kenya | 84 Italia | 85 Môrisy, nosy | 88 Zimbaboe | 89 Madagasikara
|90 Nikaragoa | 91 Japana
Ireo mamarana ny laharana :
117 Borkina Fasô | 118 Irana | 119 Omana | 120 Egypta | 121 Torkia | 122 Marôka | 123 Benin | 124 Arabia Saodita | 125 Nepala | 126 Pakistana | 127 Tshady | 128 Yemena