Angôla : Vehivavy Angôlana iray nody any an-tanindrazana

Ny blaogy Desabafos Angolanos dia manapariaka taratasy nalefan'ny vehivavy Angôlana iray nody any an-tanindrazana rehefa avy nitoetratany Pôrtigala an-taonany maro :

« Depois de ler o email achei por bem partilha-lo aqui no Blog. Talvez outros possam fazer o seu próprio retrato de Angola e ter coragem de o partilhar também […]
Na minha opinião o Angolano não gosta de trabalhar para melhorar o país, mas sim para encher o bolso para borgas todos os fins-de-semana, comprarem carros e roupas caríssimas para se exibirem, mas no fim vais a casa deles e vivem em condições precárias, e por vezes nem comem para se vestirem bem, preferem viver para a sociedade que para eles mesmos. É a mentalidade do Angolano ! »

« Rehefa avy namaky ny imailaka nalefany aho, dia noheveriko fa tsara ny mizara izany eto amin'ity blaogy ity. Asa, sao misy olona any Angôla samihafa fijery mba hanana fahasahiana ny hizara izany amintsika eto. […]
Araky ny fihevitro ireo Angôlana dia tsy miasa ny hampivoatra ny firenena fa ny hameno paosy, ny hilanonana [borgas ?] isaky ny faran'ny herinandro, ny hividianana fiarakodia sy akanjo lafo ampideraina, anefa rehefa mamangy any an-tranony ianao dia mahita fara zara izy raha miaina ary tsindraindray aza dia mahavatra tsy misakafo mihitsy ry zareo mba ahafahany mihaingo tsara, izany hoe aleony lavitra misehoseho hoan'ny fiaraha-monina toy izay miaina ho azy manokana. Izany no atao hoe toe-tsaina Angôlana ! »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.