- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Paraguay : Ny vidin'ny tambanjotra Aterineto

Sokajy: Amerika Latina, Paragoay, Teknolojia

Ny blaogy Internet en Paraguay dia manambara ny tsy hafaliana eo anoloan'ny fampitaham-bidy izay mampiseho fa  avo fito heny [7x] ny vidin'ny tambanjotra miridiridy 1Mbps Aterineto any Paraguay raha mihoatra amin'ny any Brazila [1] indrindra nohon'ny fanambarana ny fahafaham-pon'ny fanjakana any Paraguay amin'ny taham-pandrosoan'ny Aterineto any an-toerana :

« Japàna – 1,81 Reales isam-bolana – 0,90 U$/mes
Italia – 4,2 Reales isam-bolana – 2,1 U$/mes
Frantsa – 5,02 Reales isam-bolana – 2,51 U$/mes
USA – 12,75 Reales isam-bolana – 6,4 U$/mes
Brazila – 39,95 Reales isam-bolana – 20 U$/mes
Paraguay – 280 Reales isam-bolana – 140 U$/mes (Copaco) »

Eduardo Avila [2]