Kôrea Atsimo : Mpianatra mamono tena

Ny mpiblaogy Matt dia mitatitra ao amin'ny blaoginy Gusts of Popular Feeling momba ireo mpianatra any Kôrea Atsimo, izay namono tena nohon'ny fahasarotan'ny fanadinana :

« The twin sisters had been under enormous stress lately, worrying about their scores on last month’s national College Scholastic Ability Test. The stress may have been enough to cause the high school seniors from Changwon, South Gyeongsang to plunge to their deaths from a high-rise apartment building. “I wish you happiness with mom and brother. Sorry I wasn’t a good daughter,” one of the victims wrote in a text message to her father’s cell phone just before committing suicide, police said »

« Ireo kambana mpirahavavy dia tena azon'ny fanerena mihitsy tato ho ato, sady feno fanahiana mikasika ireo salan'isany tamin'ny fitsapam-pahaizana manerana ny firenena [College Scholastic Ability Test]. Angamba izany fanahiana izany no ngeza loatra ka niteraka izao famonoan-tenan'ireto  mpianatra tany Changwon, any Gyeongsang Atsimo izao, ka hitsoraka avy eny ambony amin'ny tampon'ny tranobe avo iray.  “Mirary fiadanana hoan'i Mama sy ny anadahiko aho. Miala tsiny raha tsy zanaka vavy nahafa-po ny tenako” no nosoratan'iray hoan'ny rainy tamin'ny SMS [hafatra an-tsoratra amin'ny finday] talohan'ny hitsambikinany, araky ny filazan'ny Pôlisy »

Oiwan Lam

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.