- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pôrtigala : Haja hoan'i Afrika

Sokajy: Afrika Mainty, Paortiogaly, Fifandraisana iraisam-pirenena

Tsy miandry fahagagana hateraky ny fihaonan'ireo firenena Afrikana miisa 53 sy ny firenena Eorôpeana 7 any Lisbôna [1], [tamin'ny Asabotsy 8 Desambra 2007] ny mpiblaogy David Dinis arak'izay tateriny ao amin'ny blaogy O Insubmisso :

« África não precisa só de melhores líderes, de direitos humanos, de respeito pelo próximo. Precisa de uma Europa mais livre, de mais respeito do Ocidente e de… globalização. »

« Tsy mpitondra tsara kokoa ihany, sy fandalana bebe kokoa ny zon'olombelona ihany, sy fifanajan'ny tsirairay ihany no takian'i Afrika. Mila Eorôpa misokatra koa izy, ary mila koa ny fanajan'ireo firenena tandrefana … sy ny fanatontoloana izay manaja azy. »

Paula Góes [2]