- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina : Rotaka teo amin'ny mpizahatany sy ny Pôlisy tany Makaô

Sokajy: Makaô (Shina), Shina, Hevitra, Vaovao Mafana

Nisy rotaka nitranga tamin'ny Pôlisy any Makaô sy ny mpizahatany avy tamin'ny tanibe [1] [Shina]. (Tamin'ny fanambarana farany, nolavin'ny mpitondra any Makaô ny fisian'izay rotaka tamin'ny Pôlisy, ambaran-dry zareo fa fanazaran-tena tsy lavitra teo no antom-pisian'ireo Pôlisy tany).

Notaterina fa vondrona ahitana mpizahatany mihoatry ny 100 no nifanolana tamin'ireo tompon-tany mpitarika fizahantany [guide] momba famangiana ny tanànan'i Makaô, araky ny fijoroana vaolombelona nataon'ny mpizahatany nanatrika dia noteren'ireo mpitarika ny handoa famangiana lafo vidy izay tsy ao anatin'ny fandaharana akory ireo mpiazahatany (fidiram-bola miafina hoan'ny mpitarika io). Norahonan'ny mpitarika tsy homeny sakafo sy toerana hatoriana ireto mpizahatany izay mandà. Teraka ny fifamaliana teo amin'ireo mpizahatany vinitra sy ireto mpitarika fizahantany, vetivety monja koa dia tonga ny Pôlisy, ary nandritra ny fifanjevoana ny iray tamin'ireo efatra lohandohany amin'ireo mpizahatany dia voatosika hianjera tamin'ny tany ka torana. Misy mpizahatany sasantsasany izay mitory ny herisetran'ny Pôlisy anefa misy koa tatitra manambara fa nofelahin'ny iray tamin'ireo mpizahatany ny Pôlisy iray. Mihoatry ny 10 ireo Pôlisy manam-pahefana tonga teo vetivety.
Niantomboka tamin'ny fihodidinan'ireto mpizahatany [maro an'isa] ireto Pôlisy tonga teo voalohany, mba hiarovana ny tsy handosirany, ny fifanoheran'ny roa tonta. Taorian'izany dia Pôlisy nirongo fitaovana fanoherana fikomiana miisa 30 no indray nanao rodobe teo. Tsy nitony ny toe-draharaha raha tsy tamin'ny 21:00 ora alina. Mpizahatany efatra no notazonin'ny Pôlisy hanontaniana.

The senior woman accused the riot police of subduing citizens with no weapon
Anti-bavy iray izay mitory ny Polisy amin'ny fikasany ny hanampatra hery amin'ireto vahoaka tanam-polo

macao2
Ireo mpizahatany nohodidin'ny mpitandro ny Polisy.


Mpizahatany torana nandritra ny fifanjevoana.


Mpizahatany iray izay nanambara fa hanapariaka izao hadalana manala-baraka izao eran-tany rehefa tody soa aman-tsara any an-tranony.

Sary notsongaina avy tamin'ny www.chinanews.com.cn [2]
Liana te halala ny antsipiriany ? Vakio eto [3]

Ny akon'ny Aterineto

Ny fanarahana ity rohim-baovao tselatra ity dia ampiasana ireo foto-teny trandraka roa “Macao” sy “mainland”, marobe tokoa ireo ako teto amin'ny Aterineto. Ny andiany voalohany dia maneho tsy fankasitrahana sy fahatezerana.

Tao amin'ny 163.com [4] [Shinoa] dia mihoatry ny 500 ireo mpametraka hafatra noho izany raharaha izany [5]. Mipetraka eo izay fihavian'ireo mpametraka hafatra.

Hoy ity mpampiasa Aterineto avy any Guangzhou(广州) iray :

澳门、香港这两个地方属于中国,而我们堂堂中国人竟然还要专门办所谓的“通行证”,每次去要签证才能去一趟,这是什么意思?他妈的,坚决抵制去这两个地方旅游!

Samy faritanin'i Shina avokoa na i Makaô na i Hông-Kông. Anefa dia tsy maintsy mangataka “alalàna” izahay Shinoa isak'izay mankany. Inona ihany no tena anton'izany ? Andao tsy hisy hamangy any amin'ireo toerana roa ireo intsony.

Izao kosa no navalin'ity iray mipetraka any Amerika :

澳门的导游太黑了.

Mba zefa koa ireo mpitarika mpizahatany any Makaô izany.

Hoy ny iray avy any Hei Longjiang(黑龙江) :

妈拉个巴子的,给你澳门断水,断电,断供应,看你们还神气吗?!饿的你满地爬!!!

*** [ompa], andao ho tapahina ny jiro sy ny rano dia ho hitantsika eo izay mbola fanambonian-tenan'izy ireo ? Angamba dia voatery hihady sy hihinam-bovoka !

Hoy ny soso-kevitr'ilay iray avy any Shi Jiazhuang(石家庄) :

把驻港、驻澳部队全换成大陆城管,看他们还猖狂!

Ampiharò any amin'ny Hông-Kông sy Makaô ange ny lalàna manan-kery any amin'ny “tanibe” e. Ho hita eo raha mbola avo feo ihany ianareo ?

Tsy ny rehetra anefa no manohana ireto mpizahatany fa misy kosa miezaka ny manazava ny hevitr'ireto mpitarika fizahantany amin'ny mpamaky.

Hoy ilay iray avy any Jin Hua(金华) :

哈 哈,回扣都给香港导游拿光了,澳门导游能不急吗???他们这种团叫做自费购物团,一个人到港澳七日游的费用是2000块左右,想想就知道..你如果不买东 西,光来回的机票都不够的.

Ha, dia ny mpitarika any Hông-Kông irery ve no hahazo ny karama miafina, aiza no tsy halahelo ireo any Makaô ? Ireo orinasam-pizahantany izay iasany dia [ny mora vidy] antsoina hoe “self-expense shopping group”. 2'000 RMB isan'olona no saran'ny famangiana an'i Hông-Kông sy Makaô. Mba hevero kely ange ! Tsy mahavidy n'inoninona izany, tsy ampy ho saran-dalàna mandroso sy miverina akory aza [raha ny tena izy].

Novalian'ny iray avy any Guangzhou(广州) :

天下没有免费的午餐!几百元游澳门,你也参加?活该!

Tsy misy izay sakafo maimaim-poana izany, n'aiza n'aiza eran'izao tontolo izao. Tsidika ho any Makaô amin'izay aman-jatony RMB vitsy monja ? Raha tadiavina hay ny anao !

Ity kosa dia valin-teny avy any Hubei(湖北) :

归根到底是现在港澳旅游制度和环境的不合理(用低价吸引游客,欺骗游客消费提成)。

Rehefa tena aravona, ny olana dia mifahatra mihitsy ao anivon'ny toe-draharaha mipetraka amin'ireo tanàna roa tonta. Izany hoe raha tsorina, tambatambazina amin'izay vidiny mirary ireto mpizahatany, ary avy eo dia asiany amin'ny karama miafina, ka tsy afaka mividy fahatsiarovana akory intsony avy eo.