[GV Show Special] Tafatafa miaraka amin'i Wahda Masrya – Tovovavy Egyptiana

ShahinazNandritra ny fotoam-pamaranana ireo andiam-pivoriana niompana tamin'ireo sehatra vaovao hoan'ny seraseram-pifandraisana izay notarihiko tany Aleksandria, tany Egypta, saika izay rehetra nandray fitenenana dia nidera an-dRamatoa Shahinaz Abdelsalam, izay maro mpahalala anivon'ny Blaogôsfera amin'ny anaram-bosotra hoe Wahda Masrya – tovovavy Egyptiana. Izy irery no mba hany tera-tany avy ao Aleksandria sady isan'ireo vitsy an'isa manana traikefa amin'ny fanaovana blaogy tamin'ny vondrona izay nandray anjara teo, araky ny fijerin'ny maro, i Shahinaz dia vavolombelon'ny herim-pò sy ny fijoroana hiady hoan'ny zon'olombelona sy ny fahalalahana ara-panehoan-kevitra [freedom expression | liberté d’expression].

Araky ny nazavain'i Delphine Nerbollier nandritra ny tafatafa nifanaovany tamin'i Shahinaz [teny Frantsay] ao amin'ny blaogy NewsLab, dieny tamin'ny taona 2005 dia nandao ny fomban-drazana sy ny tanàna nahalehibeazany i Shahinaz, ary dia mitondra fiainana mahaleo-tena ankehitriny any Le Caire. 29 taona izy ankehitriny, ary injeniera miasa anivon'ny orinasan-tserasera Orange, asa izay nipoiran'ny fanontaniana etikà maro ho azy. “Nifindra aty amin'ity firenena ity ny orinasa Orange mba hampiasa injieniera amin'ny karama varimasaka, toheriko izany toe-javatra izany,” hoy izy. “Anefa tsy maintsy mikarama mba ahafahany miaina ny tsirairay, sa ahoana hoy ianao ?” Tsy mba toy ny ankamaroan'ireo vehivavy Silamo any Egypta izy satria tsy mivoaly sady tsy mitondra folarà akory, anefa tsy mihevitra ny hiova hevitra momba izany fomba fiakanjony izany i Shahinaz.

Anivon'ity hetsika manokana Global Voices Show ity, voaboasin'i Shahinaz ho lohahevitra ireo antony manokana nahatonga azy hi-blaogy; ireo loza mitandindona ireo mpiblaogy Egyptiana izay sahy mitsikera ny fitondrana Egyptiana; momba ny namany Kareem, izay naiditra am-pigadrana noho ny blaoginy (nizarany valopy efa nisy hajia avy izahay ary niangaviany mba samy hanoratra ho azy); ary momba ny sehatra fivoizana ny tolona hoan'ny fandalàna zon'olombelona eo anivon'ny blaogosfera Egyptiana:

[display_podcast]

Georgia Popplewell

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.