- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Radiosikileta: sady radio no bisikileta

Sokajy: Amerika Latina, Bangladesh, Kolombia, Hafanàm-po nomerika

radiocicleta1.jpg [1]

Avy amin’i Juliana Rincon [es] [2] no nahafantaranay ny fisiana bisikileta hafakely miasa ao Caquetá, ao Kolombia.ity :

“It seats two and carries with it a complete radio broadcasting system, able to send out Wi-max signals and be heard not only through the Andaquí Community Radio, but live through Internet as well“.

“iasan’olon-droa mitondra ny kirakiram-pampielezampeo, mandefa onja wi-max izay ahafahany mandefa ny fandaharan’ny radio ao an-toerana, nefa afaka mandeha mivantana amin’ny aterineto ihany koa.“

Tetikasa Kaominaly entina mandava ny rindrim-pisarahan’ny tanàna amin’ny efitra fiasana handraisampeo ny Radiosikileta [Es] [3].

“It is sustainable, it is cheap to maintain, it is environmentally sound, it is human instead of fuel powered, it allows for innovation and investigation, it can reach many different places and can be brought inside homes and it brings people together, working as members of a team,” Juliana says.

“Tsy mandany vola, mora kolokoloina, manaja ny tontolo iainana, tsy mihinana solika ity bisikileta ity, misokatra ho amin’ny fihavaozana sy ny fikarohana ary afaka mandeha na aiza na aiza na miditra an-trano hifaneraseran’ny olona ka mampivondrona azy ireo ho anatina fikambanana iray ” hoy ny soratry Juliana.

Takatry ny be sy ny maro ny Aterineto finday

Mihoatra ny 140.000.000 ny isan’ny mponina ao Bangladesh. Ambany dia ambany ny tahan’ny fananana fiantsoana an-tarobia folo taona lasa izay noho ny tsy fahampian’ny fampitaovana (tsy misy mihitsy any ambanivohitra). Nefa mba tafanika ny 32.000.000 ihany ny mpampiasa finday tao anatin’ny taona vitsivitsy ary ahafahana miatso avokoa ny toerana rehetra na dia any anay ankodahoda indrindra aza. Miavaka tokoa izany hoe manakaiky ny 25% ny fitomboan-karenan’ny orinasam-pinday izany.
Nampahamora ny fahazoana mifandray amin’ny alalan’ny aterineto ho an’ny firenena ny tambajotram-pinday ho ana firenena izay latsaky ny 1% ny Olonineto (1.000.000 no isany teo !), ary tsy azo noheverina akory izany raha ny tambajotram-pifandraisana an-tarobia mahazatra na ny tambajotra ADS/cable no niankinana, sady ho lafo be ihany koa izany. Efa misy aza moa ny orinasa no manolotra ny haitao EDGE, izay manoma halakim-pifandraisana 128 kb isan-tsegondra.
Nanjary nahasokatra toerampijerena Aterineto [4] ho an’ny mpiara-monina ny fokontany maro any ambanivohitry Bangladesh noho ny Aterineto finday. Ato amin’ity vohikala ity [5] ohatra azavainy fa tsotra ny zavatra ilaina hampitaovana ireny toeram-pijerena aterineto ireny :

“There's only one PC, which functions as a server: each of the other workstations is powered by a small device, not much bigger than a cigarette packet. For another, there's no wired connection between the server and the outside world. The clue to how it's done is provided by a Motorola clamshell mobile phone connected by a USB cable to the server. The Centre is getting its Internet connection via an Edge-enabled mobile phone!”

Using Ndiyo-type thin-client networking in combination with Open Source software dramatically reduces the Total Cost of Ownership of Internet cafes, networked classrooms and small office systems. In the process, it makes it possible for entrepreneurs like Abu Sufian, the proprietor of the Fultola CIC, to make investments which earn revenues for them by providing services to local people and organizations.”

“Solosaina iray ihany no miasa ho mpitsinjara. Ny hafa kosa dia voafahana amina alalana boaty kely iray tsy mihoatra ny boatintsigara ny habeny. Tsy misy tariby mampifandray ny mpitsinjara (server) sy ny any ivelany. Misy finday Motorola manko mifandray amin’ny mpitsinjara amin’ny alalan’ny USB. Izany hoe mahazo aterineto ny ivotoerana iray manontolo noho ny finday iray sy ny haitao Edge hakana azy! »
Ny fampitambarana ny haitao thin-clients noforonin’i Ndiyo http://www.ndiyo.org/systems sy ny rindrambaiko tsy vidiam-bola no nampihena be dia be ny fandaniana hananganana ireny ivotoerana ijerana aterineto ireny, ho an’ny sekoly na ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany. Io fomba io moa no nahafahan’ny mpandraharaha tahaka an’i Abu Sufian, tompon’ny Fultola CIC [orinasa manao ireo tolotra voatantara ireo] niditra tamin’ny sehatra ka nahazo tombombarotra noho ny tolotra ho an’ny olo-tsotra sy ny orinasa ao an-toerana.

Mihevitra aho fa tokony hamaroana manerana ny tany an-dalam-pandrosoana rehetra ny fahombiazana haitao mifototra amin’ny aterineto sahala amin’ity.

Rezwan [6]