- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kyrgyzstana : Hetsika tselatra kasain'ireo mpiblaogy ho fahatsiarovana ilay mpanao gazety nisy namono

Sokajy: Kyrgyzstan, Fahalalahàna miteny

Ny mpiblaogy Tolkun Umaraliev dia mampahatsiahy fa ho feno 40 andro amin'ny Talata 4 Desambra 2007 ho avy izao ny nahafatesan'i Alisher Saipov, sangany amin'ny mpanao gazety [1], izay nisy nitifitra nahafaty tamin'ny 24 Oktobra 2007, tany amin'ny tanàna any amin'ny faritra Atsimon'ny Kyrgyzstana, nohon'ny fanaovany ny asa maha-mpanao gazety azy tany Ozbekistàna. Mpiblaogy Kyrgyza sy Ozbekà no indray hiara-manatanteraka hetsika tselatra ho fahatsiarovana izany famonoana izany any Bishkek, Kyrgyzstana :

« According to Uzbek traditions, 40 days after the death of a person, relatives and close people of the departed get together and commemorate him/her praying the God. Bloggers of Kyrgyzstan and Uzbekistan also want to commemorate the murdered journalist and organize a flash mob in Bishkek, Kyrgyzstan, in front of the White House. »

« Araka ny fomba fisaonana nentim-paharazana Ozbekà, dia miara-mivory ho fahatsiarovana ilay olona maty sy mivavaka amin'Andriamanitra, ireo havana aman-tsakaizany rehefa feno 40 andro aorian'ny nahafatesany. Ireo mpiblaogy Kirgyza sy Ozbekà dia manam-paniriana koa ny hamelombelona ny fahatsiarovana ity mpanao gazety novonoin'ny sasany ity ka dia hanatanteraka hestika tselatra hoa amin'izany ry zareo any Bishkek, any Kirgyzstana, eo anoloan'ny Trano Fotsy. »

[Ity dia mbola tohin’ilay lahantsoratra efa notaterina teto ihany : Fanampim-baovao mikasika ny famonoana an’i Alisher Saipov [2]]

Adil Nurmakov [3]