Brezila : Blaogy Sosialy hoan'ny Krismasy 2007

Ny mpiblaogy Yassuda monina any Brezila dia manainga ireo mpiblaogy Breziliana namany hafa mba hiara-mientana hanatanteraka hetsika manokana ‘blaogy sosialy’ [ho fankalazana ny Noely]. Ny hevitra dia ho anjaran'ireo mpiblaogy tsirairay ny misafidy izay ONG tiany hotohanana, dia samy miezaka manampy izany fikambanana izany amin'ny alalan'ny blaoginy ny tsirairay – amin'ny fanoratana lahantsoratra mikasika izay asa tanterahin'ilay fikambanana ary mangataka famatsiana isan-karazany ho azy toy ny: kilalao, sakafon-Noely, hanina, akanjo, na fotoana fotsiny aza :

« É isso. Espero concluir que esta web é de fato colaborativa. Em todos os sentidos. »

« Izay izany e. Aorian'izao hetsika izao dia fanantenako ny ho tonga amin'ny tsoak'hevitra fa fitaovam-piaraha-miasa tena mahomby tokoa ny Aterineto. Amin'ny ankolafiny rehetra. »

Paula Góes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.