- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Marôka : Any Medinà i Leonardo Di Caprio

Sokajy: Maraoka, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

Ny mpiblaogy Marôkana Adliski dia mitatitra sy mampita sary tamin'ny nahitany ny mpilalao sarimihetsika Amerikana Leonardo Di Caprio [1] mandakadaka baolina teny amorontsiraka sy mandehadeha mizaha-tany any amin'ny ivon-tanàna antitr'i Medinà. I Leonardo [2] Di Caprio [3] dia eo am-pitifirana ny sarimihetsika « Body of Lies [4] » izay tontosain'i Ridley Scott [5] any Marôka ankehitriny.
Zendana ny mpametraka hafatra mahita azy miriaria malalaka :

« C'est incroyable qu'il puisse se balader en toute tranquillité, sans harcèlement de fans. Serait-il peu connu au Maroc ? […]
T'as raison. Il es plus connu que Kazim Saher 🙂 C tres convenient pour DiCaprio. »

« Tena mahazendana mihitsy ny ahafahany miriaria tsy elingelenin'ny mpankafy azy. Sa kosa ve vitsy mpahafantatra izy any Marôka ? […]
Tena marina ny anao. Fanta-daza mihitsy noho i Kazim [6] Saher [7] [mpihira Irakiana fanta-daza eran'ireo firenena any amin'ny faritra Arabo] izy 🙂 Ary mainka aza voninahitra hoan'i Di Caprio [ny tsotsotra sy tsy andehandehanany miaraka amin'ireo mpiaro toy] izany. »