Marôka : Any Medinà i Leonardo Di Caprio

Ny mpiblaogy Marôkana Adliski dia mitatitra sy mampita sary tamin'ny nahitany ny mpilalao sarimihetsika Amerikana Leonardo Di Caprio mandakadaka baolina teny amorontsiraka sy mandehadeha mizaha-tany any amin'ny ivon-tanàna antitr'i Medinà. I Leonardo Di Caprio dia eo am-pitifirana ny sarimihetsika « Body of Lies » izay tontosain'i Ridley Scott any Marôka ankehitriny.
Zendana ny mpametraka hafatra mahita azy miriaria malalaka :

« C'est incroyable qu'il puisse se balader en toute tranquillité, sans harcèlement de fans. Serait-il peu connu au Maroc ? […]
T'as raison. Il es plus connu que Kazim Saher 🙂 C tres convenient pour DiCaprio. »

« Tena mahazendana mihitsy ny ahafahany miriaria tsy elingelenin'ny mpankafy azy. Sa kosa ve vitsy mpahafantatra izy any Marôka ? […]
Tena marina ny anao. Fanta-daza mihitsy noho i Kazim Saher [mpihira Irakiana fanta-daza eran'ireo firenena any amin'ny faritra Arabo] izy 🙂 Ary mainka aza voninahitra hoan'i Di Caprio [ny tsotsotra sy tsy andehandehanany miaraka amin'ireo mpiaro toy] izany. »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.