- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Brezila : Herisetra atao ny vehivavy

Sokajy: Amerika Latina, Arabia Saodita, Brezila, Vehivavy sy Miralenta

Ny mpiblaogy Marcelo Tas any Brezila dia mampitaha raharaha roa mikasika herisetra izay nosedraina vehivavy monina amin'ny faritra roa samihafa sady mifanalavitra eto an-tany [1]. Tany Abaetetuba, any Brezila, nisy tovovavy iray voasazy ka nampiraisina efitrano figadrana tamina 20 lahy. Ny voka-dratsin'izany [fanapahan-kevitra izany] dia ny fanolanan'ireo mpiray efitrano azy im-betsaka nifanesy. Tany Arabia Saodìta indray, nisy tovovavy hita tao anaty fiara niaraka tamina lehilahy ary dia naolan'ireo lehilahy 7 nahasarona azy izy :

« Quem está mais próximo da Idade Média: Brasil ou Arábia Saudita? »

« Iza ary no akaiky kokoa ny [fiainan'ny] olon-dià (Moyen âge | Middle Ages) : i Brezila sa i Arabia Saodìta ? »

[FANAMARIHANA : raràn'ny lalàna Saodiana ny fifampiraharahana amin'ny lahy sy ny vavy tsy misy rohim-pihavanana: “Naolana dia avy eo voaheloka indray [2]”]

Paula Góes [3]