27 Novambra 2007

Tantara tamin'ny 27 Novambra 2007

Iran : Ny Miaramila Amerikana sy ny ankizy

  27 Novambra 2007

Ny blaogy Razeno any Iran dia mametraka sary maromaro izay ahitana miaramila Amerikana mikarakara ankizy any Irak. Araky ny ambaran'ity mpiblaogy ity dia tsy mba fahita amin'ny fampahalalam-baovao Iraniana na oviana na oviana ny sary toy izao. Tsy lavina hoy Razeno ho fanampiny, fa tantara matroka no sarihin'ny ady, anefa tsindraindray dia mba ahitana...

Angôla : Ny zo hifidy

  27 Novambra 2007

Ny blaogy Desabafos Angolanos monina any Angôla dia manambara ho fandresena ny hetsika fitakian-jo nataon'ireo zanaka am-pielezana Angôlana mipetraka any Lisbôna [renivohitry Pôrtigala] ny 19 Novambra 2007 : « “Sucesso? Com 20 pessoas ?” Sim !!! Sucesso porque foram 20 pessoas debaixo de chuva, 20 pessoas entre 100 000 que não tiveram...

Brezila : Herisetra atao ny vehivavy

  27 Novambra 2007

Ny mpiblaogy Marcelo Tas any Brezila dia mampitaha raharaha roa mikasika herisetra izay nosedraina vehivavy monina amin'ny faritra roa samihafa sady mifanalavitra eto an-tany. Tany Abaetetuba, any Brezila, nisy tovovavy iray voasazy ka nampiraisina efitrano figadrana tamina 20 lahy. Ny voka-dratsin'izany [fanapahan-kevitra izany] dia ny fanolanan'ireo mpiray efitrano azy im-betsaka nifanesy. Tany Arabia Saodìta indray, nisy...