Vondronosy Karaiba: Ny Fanehoam-pankasitrahana

Dia mitohy ihany ny fitantarana ireo fomba aman-danonana manerantany. Ao anatiny indrindra ny any Etazonia amin’izao fotoana izao. Dia resaka momba ny fomba avy any indray no resahintsika na dia ny any amin’ny nosy manodidina aza no ho tantaraina etoana. Mety hoe fialantsasatra mahazatra ny Amerikana Tavaratra ny Thanksgiving (androm-panehoam-pankasitrahana) saingy toa mihaliana ihany koa ny vondronosy Karaiba ao atsimo atsinanany ao. Na ho an’ireo avy amin’ny fiarahamonina Karaiba fihaviana tafaorina any an-tanan-dehibe amerikana tavaratra, na ilay fiarahamonina kely nanori-ponenana manerana ireo vondronosy Karaiba ireo, eny na dia ilay fitenenana hoe « mankasitraka, tompoko » (mety ho mahazatra ny maro ny teny hoe misaotra tompoko fa dia io aloha no noraisiko) fotsiny die tahaka ny anton-javatra goavana be tsy hiasana ( sy hianarana), dia maro ireo mpamaham-bolongana ao amin’ny faritra (Karaiba) mitady Amerindiana sariaka hanoloram-pankasitrahana …

Bryan Morris
, mpamaham-bolongana avy ao Aruba ohatra dia manaiky fa « tsy tena ahitana fankalazana goavana loatra ny Thanksgiving ao aminy saingy navoitrany kosa fa …

Tourism is by far the biggest industry here on Aruba and the Americans (Thank You!) make up the largest percentage of tourists…so thanksgiving is still celebrated to some extent.

Ny fizahantany no orinasa mpampidibola indrindra eto Aruba ary ny Amerikana (Mankasitraka tompoko !) no mitana ny isanjato be indrindra amin’izany…noho izany dia ankalazaina ihany ny androm-pankasitrahana noho ny fivelarany.

Etsy ankilany, Puerto Rico, izay zaratany etazoniana (US), dia  manaja ny andro – ka manararaotra ny fotoana indrindra i Dondequiera manome ny lisitry ny zavatra vitsivitsy heveriny fa tokony hanehoan’ny Poertorikana fankasitrahana :

Give thanks that you live in a place with wonderful weather year round, with sandy beaches, blue water, and tropical breezes. It makes the rest bearable.

Give thanks that you live in a place where we have a “real” vote, the right to disagree with the Government, and to practice any religion (or not to practice) we see fit. Far too many people in the World have none of these rights.

Misaora ianareo izay mitoetra amin’ny toerana manana toetr’andro mahafinaritra mandavataona, anivon’ny torapasika amoron-dranomasina, rano mangamanga, ary tsio-drivotra mafana. Mahatonga ny zavatra hafa ho azo iainana tsara izany.

 

Misaora ianareo fa miaina amin'ny firenena afaka maneho tsara ny safidinareo, afaka manohitra ny governemanta, afaka manaraka na tsia fivavahana. Fa be dia be tokoa ny vahoaka tsy manana izany zo anananareo izany.

Babalu Blog indray moa dia resy lahatra fa « ny fanehoam-pankasitrahana angamba no tena porofo marina manambara ny mahaKiobana-Amerkana:

On the fourth Thursday of every November we have on our tables what we, as Cuban-Americans (or Americans of Cuban descent if you prefer), have in our daily lives: the best of both worlds.

Isaky ny Alakamisy fahaefatry ny volana Novambra no ahitana ny sakafo tsara indrindra avy amin’ny tontolo roa Kiobana Amerikana (ataovy hoe Amerikana izay Kiobana fihaviana raha izay no sitrakao) noho izay iainanay andavanandro.

Manoratra i Pwoje Espwa – Hope in Haiti :

It may sound a little strange to you all as you are gathered with family and friends on this Thanksgiving Day to hear that today is just another day here in southern Haiti. No parades, no televised football games, no huge table brimming with scrumptious food and turkey. That’s not to say that we are not grateful.

Mety ho hafahafa aminao izay mivory miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana ny mandre fa toy ny andro mandavataona tsotra ihany ny Adrom-pankasitrahana aty atsimon’i Haiti. Tsy misy matso, tsy misy lalao baolina mandeha amin’ny fahitalavitra, tsy ahitanao latabatra lehibe feno hanim-pitoloha sy vorontsiloza (mampiavaka indrindra ity fety ity). Izany tsy midika hoe tsy mahay mankasitraka izahay.

Mino i Belize-y Livin’  fa « tokony hankasitraka indrindra » izy, saingy tsy fetimbahoaka iraisana moa ity raharaha ity any Barbada, hoy i My Barbados Blog :

We are counting our blessings, taking a much deserved holiday break, and will be back blogging on Monday.

Eo ampanisana ny tso-drano sy ny fanomezana teny mamy izahay, dia manokana andro lavalava ialana sasatra, ary dia hiverina indray amin’ny alatsinainy hamaham-bolongana e !

Jamaican blogger Geoffrey Philp izay mpamaham-bolongana Jamaikana kosa dia nandika Tononkalo ho amin’ny Androm-pankasitrahana, rehefa nankalazaina taoriana indrindran’ny fifidianana tany Trinite sy Tobago ny Now Is Wow‘s “Thanksgiving”:

I went to the COP Thanksgiving rally at Helping Hands grounds in the Pasea area. It wasn't a jump and wave rally. It was an interfaith event, with various spiritual leaders (Muslim, Hindu, Christian, etc.) each saying a prayer and a few words…I was not moved to feel patriotic about T & T…but I was touched by the genuine sense of togetherness and respect of the people and by the sense of gratitude and determination emitted by those on stage. It was a peaceful, communal, ‘old time feel’ of an evening.

Nankany amin’ny tokotanin’ny « Tolo-tanana » tao Pasea nisy ny fihaonan’ny mpifety ny Thanksgiving aho. Nanonja sy nampibitaka tokoa ny fihaonana. Fihaonambe niarahan’ny finoana samihafa no tao, nahitana ireo mpitari-pivavahana isankarazany ( Silamo, Haindo, Kristiana, sns) izay samy nivavaka fohy … Toa tsy tena mahatsiaro ny tenako ho tia tanindrazana loatra aho rehefa i Trinite sy Tobago no resahina… fa tena nanohina ahy kosa ny fiarahana sy ny fifanajana teo amin’ny olona ary ny fahazotoana sy ny fifanoloram-boninahitra teo amin’izay nandray anjara. Nilamina, niray aina ny rehetra, mampahatsiahy ny andro lasa ny takariva..

Ity angamba no faratampony tamin’izay soratry Dondequiera:

Give thanks to people who exhibit little acts of kindness. It has an interesting effect of rippling throughout society.

Misaora ireo izay naneho asa mahafaly ny hafa na dia kely fotsiny ihany aza. Mety hisy vokatsoa manerana ny fiarahamonina ihany manko izany.

Janine Mendes-Franco

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.