Mozambika : Fanomezam-boninahitra an'itompokolahy Ian Smith

Ny blaogy Para Todos avy any Mozambika dia mamoha fahatsiarovana mikasika an'itompokolahy Ian Smith :

« Morreu na Cidade do Cabo, com 88 anos de idade, Ian Smith, o homem que proclamou – contra os Ingleses – a Independência da Rodésia (Zimbabwe). E porque se trata de um verdadeiro Herói africano (também há africanos… louros!), importa exaltar essa figura que, ainda jovem, veio até à Europa combater Hitler e o nazismo e que, regressado à Rodésia, contribuiu de forma notável para transformar o seu país natal num dos mais desenvolvidos de toda a África. »

« Nodimandry androany [21.11.2007] tany Cape Town I Ian Smith, 88 taona. Tsy iza izany fa ilay lehilahy sahy nitolona tamin'ny Anglisy hoan'ny fahaleovantenan'i Rhodezia [Zimbaboe ankehitriny]. Satria dia tena maherifo Afrikana mihitsy (fa tena misy tokoa ny Afrikana Blaondy) , ho fanomezam-boninahitra azy dia hotsarovantsika ilay tovolahy niondrana ho any Eorôpa hiady ho fanoherana an'i Hitlera sy ny Nazisma tamin'ny fahatanorany, dia ilay tovolahy izay isan'ny angady nanànana sy vy nahitàna ny fampivoarana ny fireneny rehefa niverina tany Rhodezia, ho firenena isan'izay tena mandroso indrindra aty Afrika. »

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.