Ny mpiblaogy Saodiana Rasha dia mitatitra ny nahazo ilay tovovavy Saodiana iray izay naolana lehilahy maro dia avy eo nohelohin'ny fitsarana izay niteraka adihevitra mafana anivon'ny tanora any amin'ny faritra Arabo iny :
« I have been following a case of a nineteen year old Saudi Shia girl from the eastern province who was gang raped fourteen times more than a year ago. The young girl was in a car of an unrelated man when they were attacked by seven Sunni men who raped her.
The victim was punished for violating Saudi Arabia’s laws on segregation that forbid unrelated men and women from associating with each other.»
« Izaho dia nanaraka ny vaovao mikasika ilay tovovavy Saodiana [manaraka ny foto-pinoana] Shiita avy any amin'ny faritany Atsinanana izay tokony ho 19 taona eo ho eo raha nisy nanolana in-14, tamin'ny taona-dasa. Tao anatin'ny fiarana lehilahy tsinotsinony [tsy misy rohim-pihavanana aminy] ilay tovovavy, fony ry zareo notafihina lehilahy fito [manaraka ny foto-pinoana] Sonita izay nanolana azy.
Ilay tovovavy dia nohelohin'ny fitsarana Saodiana noho ny fandikany ny lalàna izay mandràra tanteraka any Arabia Saodita, ny fifampiraharahana eo amin'ny lahy sy ny vavy tsy misy rohim-pihavanana sy tsy vita fanambadiana. »
3 hevitra
Novakiako tamin’ny gazety androany fa ny kandidà Ramatoa Hillary R. Clinton dia niangavy ny filoha Amerikana George W. Bush, mba hangataka amin’ny Mpanjaka Saodiana Abdalah mba hanafoana ireo fanamelohana sedrain’ity tovovavy ity :
Fanamelohana voalohany : volana Oktobra 2006, kapoka miisa 90.
Fanamelohana faharoa : 14 Novambra 2007, nitombo ho kapoka miisa 200 miampy fanagadrana maharitra 6 volana ny sazy satria notoriana ho « niezaka ny hanao fanerena an-kolaka ny fitsarana Saodiana tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao ra-vehivavy. »
Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fety Silamo Aïd al-Adha izay hanomboka rahampitso izao, dia NAVOTSOTRY ny mpanjaka Saodiana Adballah NY HELOKY ity tovovavy izay nohelohin’ny fitsarana indroa miantaona ity.
Tsahivina fa ireo fito lahy mpanolana dia voaheloka an-tranomaizina mandritra ny 2 ka hatramin’ny 9 taona.