Ny mpiblaogy Carlos Serra dia mitatitra ao amin'ny blaogy Diário de um Sociólogo ny fivoriana izay notanterahina tany Mozambika momba ny famonoana vokatry ny fitsaram-bahoaka izany hoe famonoana « tsy misy fitsarana ara-drariny » [lynchage]. Ny blaogy UDS [Unidade de Diagnóstico Social] no mivoy izany fifanakalozan-kevitra izany.