- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ozbekistana : Fahavoazam-be hoan'ny firenana

Sokajy: Ozbekistan, Fahalalahàna miteny

Fahavoazam-be hoan'ny firenana iray manontolo : izany no ambetivetin'ny feo re avy any amin'ny blaogosferan'ny faritra Afovoan'i Azia – indrindra indrindra ireo blaogy Ozbeka – tamin'ny namonoan'ny sasany an'i Alisher Saipov [1], izay tena sangany amin'ireo mpanao gazety, ny tanànan'i Osh izay nipetrahany dia ao amin'ny faritra Atsimon'i Kyrgyzstana sady mifanolo-bodirindrina amin'i Ozbekistana. Vao 26 taona monja i Alisher Saipov ary Ozbeka ny fihaviany, ary dia matetika izy no mitatitra vaovao mikasika ireo mponina [taranaka Ozbeka] vitsy an'isa any amin'ny faritra [Kyrgyzstana] misy io zarantany io izay sady tsy raharahan'ny fampahalalam-baovao Kyrgyza no tsy avoaky ny any Ozbekistana koa noho ny fifehezan'ny fitondrana tokoa ireo fahampalalam-baovao any an-toerana.

Azo lazaina fa fohy anefa nahery vaika izay fiainan'i Alisher Saipov, ary ireto avy ireo fampahalalam-baovao izay niarahany niasa ny vohikala fampahalalam-baovao Ferghana.ru [2], ny sampana Ozbekan'ny Voice of America [3], ny Radio Free Europe/Radio Liberty [4], ary ny vohikala Uznew.net [5]. Tsy vitan'izany fa mbola izy koa no namorona ny gazety amin'ny fiteny Ozbeka : Siyosat [Politika] izay mivoaka any Osh sady ampidirina an-tsokosoko any amin'ireo faritra mifanolo-bodirindrina Ozbeksitana. Ity gazety ity dia natokana hitrandrahana ireo vaovao mikasika ny fivavahana, ny fanajana ny zon'olombelona sy ireo raharaha pôlitika amin'ny andaniny roa amin'ny fizaran-tany. I Alisher Saipov koa dia nanorina vohikala ho e-gazetin'izay lahantsoratra efa vita printy [6], tsy nisy nametraka fanampim-baovao intsony izany vohikala izany hatramin'ny fotoana namonoan'ny sasany an-dralehilahy.

Ny mpiblaogy Libertad no isan'ireo voalohany izay nitatitra ny namonoana ity mpanao gazety ity tamin'ny alalan'ny blaogy Neweurasia [1]. Araka ny fihevitr'i Libertad dia tena fahavoazam-be mihitsy ny fahaverezan'ity olombe ity.

He was well-know not only in Kyrgyzstan, but in whole Central Asia for his excellent work as a journalist. Alisher Saipov was a great journalist, a wonderful person and a cool chap, who was always happy to help people, especially friends, and who never gave up in the face of obstacles. He always stayed loyal to his principles. And his principles were truth, honesty, honor and courage.

Izy dia fanta-daza tamin'ny asa maha mpanao gazety azy, tsy any Kyrgyzstana ihany fa manerana ny faritra Afovoan'i Azia. Tena mpanao gazety kalaza raha i Alisher Saipov, olona maha-te ho tia, sady namana azo ianteherana izay vonona hatrany ny hanampy ny mpiara-monina aminy indrindra ireo olo-pantany, tsy mba niamboho fahasarotana raha ny lehilahy. Izy dia nijoro tamin'ireo foto-keviny. Ary izany foto-kevitra izany dia ny fahamarinana, ny fahitsiana, ny fifanajana ary ny herim-pò.

I Craig Murray, izay Ambasadaoro Anglisy fahiny tany Ozbekistana, izy indrindra ilay vao najanona ny blaoginy [7] [efa niverina mandeha indray izao] noho izy nametraka lahantsoratra izay mitory an'ilay mpanefoefo Rosiana manana ila Ozbeka, Alisher Usmanov ho tsy mari-pitantanana, tena miha-loza ny toe-draharaha hoan'ireo izay sahy miteny malalaka [sy ireo namany akaiky] any Ozbekistana [8]. Nahafantatra manokana an'i Alisher Saipov tokoa i Craig Murray, ary isan'ireo misaona ny fahafatesany :

I cannot believe Alisher Saipov is dead. When last I saw him he can only have been 23 years old, and was so brimming with energy, life and optimism. Now at 26 he is dead, just the latest dissident to be murdered by the Karimov regime.

Tsy mety mino aho fa maty i Alisher Saipov. Mbola vao 23 taona monja izy tamin'izahay nifankahita farany, tamin'izany izy feno hery, aina sy fanantenana. Ankehitriny, maty amin'ny faha-26 taonany izy, toy ny mpanohitra farany izay nampamonoin'ny fitondran'i Karimov.

Ny blaogy Azamat Report dia mitatitra [9] ny fanambarana an-gazety izay nataon'ny Komity miady hoan'ny fiarovana ny [ain'ny] mpanao gazety [10] mikasika indrindra ny namonoana an'i Alisher Saipov izay niteraka adihevitra momba ny raharaha Andijan sy izay andraikitr'i Alisher Saipov mba hanaronana izany vono-olona mahatsiravina izany.

Ny mpiblaogy Daagini dia manoratra ao amin'ny blaogy Confessions of ‘Innocent’ Mind [11] ny fandrenesany hatrany vaovao momba azy ary na dia tsy mahafantatra an'i Alisher Saipov aza izy dia misaona azy.

Isn't it strange that no matter where you are… who you are… what you are… things happening in a land far far away stir emotions in you, you never would have thought possible. Its streams through your mind like a motion picture… and stems thoughts which wouldn't have been there otherwise.

Tsy ohatry ny mahagaga ve fa na aiza n'aiza misy anao … n'iza n'iza ianao … n'inon'inona ataonao … voina mitranga any alavitra be any dia manaroharo ny fihetsem-po ao anatinao ao, tsy nisy nanam-po izany ho tanteraka mihitsy. Ilay raharaha dia mandeha ao an-tsainao toy ny sarimihetsika … ary mampitsiry hevi-baovao izay tsy ho tao mihitsy raha tsy tamin'ny alalany.

Ny mpiblaogy Joshua Foust any amin'ny blaogy Registan.net [12] dia nanoratra lahantsoratra ho fanomezam-boninahitra an’ Alisher Saipov nohon'ny famonoana azy [13]. Ny lahantsoratra dia miadihevitra ireo loza manambana ny asan'ny mpanao gazety any amin'irei firenena nitambatra fahiny tao amin'ny firaisambe Sovietika. Hatramin'ny nirodanan'ny firaisambe Sovietika, dia tsy tambo isaina intsony ireo raharaha ahitana famonoana mpanao gazety, ary ny ankamaroan'ireny raharaha ireny dia mboola tsy tsy voavaha hatramin'ny ankehitriny, araky ny ambaran'i Joshua. Ny antony dia satria ireo ‘firenena [izay Sovietika taloha] dia mbola anjakan'ny KGB [sampana fitsikilovana Rosiana], na koa eo am-pelatanan'ireo mpitondra taloha izay efa tao amin'ny fitondrana Sovietika ihany rahateo na manao fitondran-tena-na “sefokely” … toy ny KGB na manahaka ny rafi-pittantanana Sovietika’.

Ao amin'io lahantsoratra io any amin'ny blaogy Registan.net [12] ihany koa, dia omen'i Joshua ny lisitr'ireo mpanao gazety izay nisy namono hatramin'ny taona 2000 tany amin'ireo firenena Sovietika taloha. Tsy manolotra anarana mpanao gazety Ozbeka i Joshua, ary ny antony dia tsotra loatra, satria « nanjavona » ho azy ny atao hoe mpanao gazety tany Ozbekistana ka tsy misy afaka manambara raha mbola misy ihany miangana any ho any na tsia [eso].

Ny sampan-draharaha Kyrgyz misahana ny fampiharana ny lalàna dia nandefa avy hatrany ny baiko fikarohana mikasika ity heloka iray ity, anefa tsy niteraka izay valina nandrasana izany. Nambaran'ny Ministeran'ny atitany tokoa mantsy fa ny fifandraisan'i Alisher Saipov amin'ny antoko mpanohitra Hizb-ut-Tahrir no anton'ny famonoana azy [14], ny Hizb-ut-Tahrir dia antokom-pivavahana izay voarara any Kyrgyzstana sady voarara koa any Ozbekistana. Ny mpiblaogy Libertad dia mitsikera io tatitra nataon'ny manam-pahefana io :

The general impression about the investigation is that Kyrgyz law enforcement organizations searched for the information that would prove that there were no any traces of Uzbek secret services in the murder of the journalist, but it was Alisher Saipov’s connections to different extremist organizations that eventually led to assassination.

Ny fijery bango iray hany mipetraka mikasika ny vokatry ny fikarohana izay nataon'ny manam-pahefana Kyrgyz dia ny fiezahany hikatsaka izay rehetra porofo manadio ny sampana fitsikilovana Ozbeka tsy ho tompon'andraikitra momba ity famonoana an'ity mpanao gazety ity, anefa ambara ombieny ombieny fa ny maha-voarohirohy an'i Alisher Saipov amin’ny raharahan’ireo antoko mpanohitra mahery vaika [any Ozbekistana] ireo no fototry ny namonoana.