Arabia Saodìta : Varotra akanjo jefijefy

Ao ambanin'ny voaly matevina sy ambadik'ireo vavahady vy tsara ambina, misy amin'ireo vehivavy Saodiana no tsy misalasala ny ho jefijefy [sexy] rehefa mifidy izay iakanjoany ao amin'ny manginginan'ny trano fandriana. Arahiny porofo an-tsary dia ambaran'ny mpiblaogy Nzingha amintsika, fa mba jefijefy koa na dia ny vehivavy any amin'izay firenena faran'izay fatra-pandala ny fomban-drazana [fivavahana Silamo] aza.

Kinky Clothes on Sale in Saudi Arabia
Sary nampindramin'i Nzingha

Ho sasin-teny dia azavain'i Nzingha fa mety ho mamitaka raha mijanona fotsiny amin'izay fomba fijery ny any Arabia Saodìta.

« Saudi for the most part has an image of being ultra conservative, an image that is rightly deserved in some areas. But when you actually live here and know what is going on, in secret and in open, you find out that people living in Saudi aren't necessarily that conservative. This ranges from the expatriates and their swinger parties, or the gay weddings and beauty pageants with cross dressers displaying their moves. Some of these events are cracked down upon by the police but for the most part it goes on and people whisper » she notes.

« Ny Saodìana dia heverina ho fatra-pandala ny fomban-drazana, ary fijery mitombona izany amin'ny lafiny sasany. Anefa rehefa monina eo an-toerana ianao ka mahalala izay fandehan'ny raharaha, sy mahay manavaka ireo tsiambaratelo sy izay ampahibemaso, dia tsikaritrao fa tsy dia voatery ho henjana fitondran-tena ny Saodìama. Izany dia mahafaoka hatramin'ireo mpila ravinahitra any ivelany sy ireo fetibeny arahim-pandihizana, na ireo fanambadian'ireo samy lahy sy samy vavy ary ireo fifaninanana fihaingo ataon'ny sarimbavy tena izy. Ny sasany amin'ireny fety ireny dia mifarana nohon'ny fidiran'ny Polisy an-tsehatra, anefa ny ankamaroany dia inian-tsy hita ka mibitsibitsika fotsiny no ataon'ny vahoaka »

Avy eo isika dia entiny mitety fivarotana am-pikarohana akanjo jefijefy, izay napetrany ao amin'ny blaoginy ireo sariny. Azavain'i Nzingha fa :

« Being kinky doesn't have to be to these extremes a little fun and excitement in the bedroom can fit into the kinky mold. But, again, being in the conservative society of Saudi Arabia with veiled laden ladies one would think the kinky side couldn't be easily entertained. Think again! As I went out with Sister C the other day to a local ‘families’ mall we stopped in a shop called “Oh La La” .. (a)nd there in the shop, protected by the single male employee, hung these kinky bedroom get ups. »

« Ny hoe jefijefy akory tsy voatery ho mihoa-pefy, fa mba fandalaovana sy fanaitairana an-drangahy ilaina ao an-trano fandriana ihany izany. Averiko indray fa ao anatin'ny fiaraha-monina fatra-panara-dalàna Saodìana izay ahitana ireto vehivavy misaron-tava amin'ny voaly dia tsy heverina mihitsy fa misy toerana hoan'ny faha-jefijefiana sy ny fanaitairana ny lahy. Diso fihevitra eo tokoa. Ilay andro iray iry aza, raha niaraka tamin'ny Rahavavy K tamin'itony tranobe fivarotana natokana hoan'ny mpianakavy itony aho; dia nahita ity trano fivarotana izay mitondra ny anarana hoe « Oh la la … » tao anatin'ity fivarotana izay nambenana lehilahy tokana ity no nahitanay ireto akanjo jefijefy ireto »

Aza misalasala manaraka ny rohy etsy ambony izay liana te hahita izay sarin'akanjo hafa.

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.