- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Zimbaboe : Ny aotra no mitroatra na tantara voafintin'ny dolara zimbaboeana

Sokajy: Zimbaboe, Sarimihetsika, Toekarena sy Fandraharahàna

Milaza ny namoahana ny lahatsary (ny lahateny sy lahatsoratra ve misy dia tsy hisy ny lahatsary?) DVD vaovao mitondra ny lohateny hoe Hero to Zero [1] [ny aotra no mitroatra]: Tantaran'ny dolara Zimbaboeana voafintina ny bolongan'ny kubatana: “… DVD vaovao, ny aotra no mihoatra, Tantaran'ny dolara Zimbaboeana voafintina dia milaza ny fihintsanan'ny sandambola Zimbaboeana antsoina ihany koa hoe Kwacha, hatramin'ny fahaleovantena 1980 – izay natakalo 2 dolara amerikana ny 1 dolara zimbaboeana, mandra-pahatongan'ny fotoana ankehitriny tsy afaka atakalo 1 dolara amerikana akory ny 1 000 000 000 dolara zimbaboeana.” Loza! mba manao ahoana kosa re ny ariary malagasy?

Ndesanjo Macha [2]