- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kenya : Tahirim-bola ‘tsinjo vodiandro merika’ hoan'ny tontolo iainana

Sokajy: Kenyà, Tontolo_iainana, Voina

Mba hiarovana ny fahambangana mety hitranga nohon'ny fihenan'ny fidirambolan'ny fizahantany, ny mpiblaogy Richard Leakey dia manolotra soso-kevitra [1] ny hamoronana tahirim-bola mba ahafahana mitsinjo “vodiandro merika” ny tontolo iainana :

« This tourism revenue is both a short term boon and a long term risk. Tourism is notoriously fickle and prone to external threats. For example, terrorism or disease pandemics. »

« Io fidirambolan'ny fizahantany io dia sady zava-tsoa raha banjinina amin'ny fehim-potoana fohy anefa mety koa ho varavarana ihavian'ny loza [raha miankina be loatra aminy]. Iaraha-mahalala fa ny fizahan-tany dia sady tsy “mena-mivadika” [tsy menatra mivadika] no sady marefo tokoa mihoatra amin'ireo loza manambana azy avy ivelany. Toy ny fampihorohoroana ohatra na ireo areti-mifindra koa. »

Juliana Rotich [2]