- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afrika Atsimo : Nivoaka ny endrika Beta-n'ny SynthaSite

Sokajy: Afrika Atsimo, Teknolojia

SynthaSite [1] dia rafi-kajy [software | logiciel] narafitra tany afrika atsimo mba hanamorana ny famoronana vohikala hoan'ireo olona tsy mbola havanana loatra amin'ny lafiny teknika manodidina izany:

« The structure of the site is geared more around making it easy for users with no technical (html & css) knowledge to create Websites in simple, trouble-free style. What this means is, you can create a website , have and an assortment of goodies in the body of your website all in easy drag ‘n drop fashion »

« Ny rafitr'ity vohikala ity dia nezahina mba hahatsotra tokoa ny famoronana vohikala hoan'ireo mpampiasa tsy mbola havanana loatra amin'ny lafiny teknika (html sy css). Raha azavaina tsotra izany dia midika fa amin'ny alalan'ny “sintona sy avotsotra” [drag'n drop ] fotsiny dia sady afaka mamorona vohikala no mampiasa avy hatrany ireo fitaovana rehetra fampiasa sy mahatsara endrika izay efa nomanina mialoha [ny mpampiasa izany rafi-kajy izany] »

Ndesanjo Macha [2]