- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizìa : Voasakana koa ve i Youtube ?

Sokajy: Tonizia, Fahalalahàna miteny

Mpiblaogy [1] Tonizìana maromaro [2]  no niara-nitatitra [3] ny tsy fahafahan-dry zareo hijery [4] ny vohikala mpanapariaka sarimihetsika maro mpankafy Youtube [5] androany [2 Novambra 2007].
Raha toa ka misy tokoa ny fanamarinana izany fanakanana izany, dia i Youtube no vohikala mpanapariaka sarimihetsika faharoa voasakana tsy ho tazana avy any Tonizìa. Satria efa hatramin'ny faha-3 Septambra 2007 no tsy afaka mijery [6] intsony ny vohikala Dailymotion [7] ny mponina any Tonizìa.

[Lahantsoratra efa notaterina teto ihany mikasika fanapahana an'i Youtube tany Shina : Niverina i Youtube [8]]

Sami Ben Gharbia [9]