Tshady : Fahafaham-baraka ateraky ny fanaganan-jaza ataon'ny ONG Frantsay iray

Ry Sambo fiaran'i Zoé, « manempotra ahy ny fitiavanao ! »

Ny blaogin-dRaprezy! [Le blog du Prési!] izay diam-penina mpiblaogy Kameroney iray miteny Frantsay dia mamoavoafy mikasika ny fahafaham-baraka vao tsy ela, izay nateraky ny fihetsika nataon'ny ONG Frantsay iray izay nitetika ny hanavotra ankizy miisa 103 izay avy any amin'ny faritra manolo-bodi-rindrina iombonan'i Tshady sy Sodàna izay nambara fa mpitsoa-ponenana avy any Darforo, ary kasaina hatsangana ray aman-dreny any Frantsa mba hamonjena azy ireo tamin'ny « fahafatesana izay efa niandry azy ».

Mambra enina mpikambanana amin'ny fikambanana mpanao soa L’Arche de Zoé (Sambo fiaran'i Zoé) no nosamborina nohon'ny fiampangana « fakana an-keriny zaza tsy ampy taona sy fitetehana ny hanao hosoka ny “état civil” » izany hoe hanova ny anaran'ireo ray aman-dreniny. Ny setrin'izany eo imason'ny lalàna dia fanagadrana dimy ka hatramin'ny roapolo taona, arahina asa an-terivozona.

Nitsipaka ireo fiampangana fanaovan-dratsy ireo ny Sambo fiaran'i Zoé, sady nanambara fa zaza kamboty avy any Sodàna ireto zaza ireto. Anefa arak'ireo tatitra, ireo mpiasan'ny firenena mikambana sy ireo diplaomaty Frantsay dia milaza fa maro amin'ireo ankizy no Tshadiana fa tsy Sodàney. Sady tsy misy manome alàlana izay fananganan-jaza ataon'ny tera-tany vahiny na i Tshady na i Sodàna.

Nanampy trotraka ny raharaha ny filoham-pirenena Tshadiana, Idriss Déby izay nanontany tena raha ity fikambanana mpanao asa soa ity izay mitaky vola 2'400 euro isaky ny zaza atsangana [amin'ireo ray aman-dreny manam-paniriana] dia nikasa ny hivarotra ireto zaza hoan'ireo mpanolana ankizy na hatao fakana taovan'olombelona hitsaboana olon-kafa.

Tezitra ny filoham-pirenena Frantsay Nicolas Sarkozy. Nanenjana ny fifandraisana nipetraka teo amin'ny firenena roa tonta tokoa manko ity raharaha ity, ary ratsy filatsaka satria [mandrafy] ny fikasan'ny Vondrom-pirenena Erôpeana ny hamelatra andian-tafika, izay eo ambany fibaikoan'i Frantsa, hampandry tany any Atsinanan'i Tshady sy Avaratra Atsinanan'ny Repôblika Ivon'i Afrika.

Toy izao ary no ambaran'ny blaogy Le blog du Prési! mikasika ny raharaha Zoé, ny fananganam-jaza ataon'ireo olo-fanta-daza sy ny fitiavana izay manempotra, na dia hetsika nateraky ny fikasan-tsoa aza :

…pour sauver quelques malheureux petits africains de la mort, l'Arche de Zoé (AdZ) a flotté dans les airs, roulé dans le désert pour leur venir au secours, au Tchad. Objectif, ramener un 103 d'enfants et surtout les remettre à destination à des familles en attente. Coût de l'opération, 2400 euros par famille d'adoption en France.

… nitety habakabaka, namakivaky tany hay mba hamonjena zanaka Afrikana mampalahelo vitsy any Tshady ny Sambo fiaran'i Zoé (SFZ). Hitondra miverina zaza miisa 103 any amin'ireo fianakaviana efa tsindrian-daona miandry no tanjona. 2'400 euro isam-pianakaviana mpanangana no vidin'ny fanavotana.

Tout était si bien reglé, jusqu'à ce vol retour, mais voilà, les autorités Tchadiennes s'en mêlent, en découvrant le pot-aux-roses et le debut des poursuites pour “enlèvement de mineurs tendant à compromettre leur état civil et escroquerie”. Et bien sur l'indignation des membres de l'ADZ, eux qui voulaient sauver le monde, sauver ces enfants de la mort. Et on apprend que ce n'étaient pas des orphelins, que ce n'étaient pas des ressortissants du Darfour, supercherie sur toute la ligne.

Efa maty paika daholo ny tetika rehetra, ary nizotra tsara ambarak'ity dia farany izay miandry ny fiaingan'ny fiara-manidina fiverenana ity, indrisy anefa fa nitsabahan'ny fanjakana Tshadiana ilay raharaha, voala sarona ilay nafenina ary dia nanomboka teo ny fiampangana « fakana an-keriny zaza tsy ampy taona hitetehana ny hanao hosoka ny “état civil” sy fanambakana ». Mazava ho azy fa eo koa no nahitana ny fahazendanan'ireo mambran'ny SFZ izay tsy nihevitra afa-tsy ny hamonjy izao tontolo izao, ny hamonjy ireto zaza tamin'ny fahafatesana. Dia fantatra indray taty aoriana fa tsy kamboty akory ireto zaza, ary tsy [mpitsoa-ponenana] avy any Darforo akory aza, lainga ratsy tototra.

Inona no maha-samihafa ny fananganan-jaza ara-asa-soa sy ny fananganan-jaza takalom-bola?

Il y a quelques mois, c'était Madonna qui à grand renfort de dollars adoptait -pour ne pas utiliser un autre verbe- des petits Nigerians. J'ai beau cherché, mais je n'arrive pas à trouver de différence entre un enlèvement humanitaire et une adoption bradée. Et donc j'attends, des gens et médias, la même indignation qu'il y a quelques mois. Et ce serait au tour de la très médiatique Paris Hilton d'en faire autant avec des petits rwandais. Que ca se fasse, je suis pour! Au moins comme ca, l'état de délabrement sera vraiment bien établi et on pourra dire “on fait le bordel et on le fait bien!”.

Vao volana vitsivitsy lasa izay dia i Madonna [mpihira Amerikana malaza] no nampiasa vola dollars maro mba hanaganan-jaza Nizeriana -aleo io teny io no apetrako mba tsy hampiasako teny hafa. Nalaiko amboniny, nalaiko ambaniny fa tsy hitako velively izay maha-samihafa ny fakana an-keriny ara-fanaovana asa-soa sy izay fananganan-jaza azo amin'ny varo-boba. Dia mba niandry aho izany faha-sadaikarana avy amin'ny vahoaka sy ireo fahampalalam-baovao toy izay niseho volana vitsivitsy lasa izay [tamin'ny raharaha Madonna]. [Iza indray no manaraka ?] Anjaran'ilay fatra-fanta-daza Paris Hilton indray izany ny manangana zaza Roandey [FANAMARIHANA: zanaka mpanefoefo Amerikana izay isan'ny mpandova ireo andiana hôtely mitondra ny anarany, ary manao ho vain-dohan- draharaha ny fanaovana izay zavatra rehetra hitateran'ireo gazety izay fihetsiny, eny hatramin'izay heverina ho mamoa-fady aza]. Izaho dia isan'ireo mpomba [maneso] ! Fa rehefa atao izy ity dia mba ataovy « tsara » amin'izay dia hiharihary amin'ny be sy ny maro fa « korontaninay ilay raharaha sady ataonay amin'ilay fanaovana azy tsara ! »

Deux méthodes, le même resultat, peut-être pas les mêmes buts, mais que d'interrogation! Les familles d'origines ont-elles vraiment besoin de cet humanisme forcé? Et meme cet eldorado promis à ces enfants, est-il si important au point de justifier le mérpris de toutes les structures familiales, d'origine et de destination?

Fomba roa samihafa, vokatra mitovy, tsy mitovy angamba ny tanjona, anefa dia fanontaniana re izao e ! Tena mila io fanaovantsoa an-tery io ve ireo fianakavian'ireto zaza ? Ary na dia ity tany « tondra-dronono sy tantely » ampanantenaina reto zaza ireto, dia tena sarobidy loatra ve izy ity ka anaovana tsinotsinona ireo rafi-pianakaviana nihaviana sy hampiantrano ?

Et si une fois arrivé en France, ca se passait mal en terme de procédure d'adoption, ou pire de vie de famille, on aurait peut-être vu déversés dans la rue 103 tchadiens, comme 101 dalmatiens, livrés à la merci de l'Intérieur.

Ary raha ity ka misy olana amin'ny kirakiram-pananganan- jaza rehefa tonga any Frantsa, na koa misy olana eo anivon'ny fianakaviana [mpanangana] izay vao mainka aza loza. Angamba dia ho nahita Tshadiana 103 nararaka an'arabe natao tolo-botsitra hoan'ny Atitany [Ministeran'ny Atitany Frantsay] toy ireo alika Dalmatiens miisa 101 [sarimihetsika malaza].

Zoé, ton arche avec, ton amour m'étouffe!

Ry Zoé ô, ianao sy ny sambo fiaranao, manempotra ahy ny fitiavanao !

Jennifer Brea

4 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Jentilisa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.