- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Armenia : Mariazin’ny Mafia

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Fampandrosoana, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna

Asehon’ny Hetsi-panafahana sosialista Armeniana Armenian Libertarian-Socialist Movement  amin’ny alalan’ny rakitsarimihetsika ho an’ny mpamaky sy mpijery azy ny fomba fiainana sy fihetsiketsehana tsy fahita loatra [1] nataon’ny mpanankarena indrindra andaniny sy ny manana ny fahefana ambony indrindra ankilany tany amin’io firenena io. Oronantsarimihetsika nalaina avy tamin’ny mariazin’ny anabavin’i Gagik Tsarukian io ary manao fampitahana amin’ny toe-draharaha ao Armenia sy izay nitranga talohan’ny revolisiona Kiobana ny bolongana (blaogy).

Onnik krikorian [2]