Syria : Fakana an-keriny ny mpiblaogy Rtoa Roukana Hamour

 

Fanampim-baovao : Omaly alina (26 Oktobra 2007), niantso anay an-taroby i Roukana Hamour. Salama tsara izy. Nataon'ny mpitandro filaminana mpiandraikitra ny fitsikilovana famotorana izy, mombamomba izay hafatra napetraky ny mpamaky teo amin'ny blaoginy. Ora telo taty aoriana dia afaka nody malalaka i Roukana Hamour.

Roukana Hamour

Naharay imailaka izahay, izay nalefan'olona toa vavolombelona nanatrimaso ny fakana an-keriny ny mpiblaogy Syriana Roukana Hamour, izay nitranga omaly 25 Oktobra 2007. Toa ohatry ny teo anoloan'ny tranony any Damaskosy, no nakan'olona enina an-keriny an-dRamatoa Roukana Hamour, tsy fantatra izay toerana nitondrana azy. Nohamarinin'ny fanambarana nataon'ny fikambanana hoan'ny fandriam-pahalemana sy fahafahana [Organization for peace and liberty | OPL] ity fakana an-keriny ny mpiblaogy Roukana Hamour ity. Indro ny dikan-tenin'ny taratasy notanterahin'i Golaniya izay namako sy mpiara-miasa sady mpiblaogy Syriana rahateo :

خطفت اليوم ركانة حمور من أمام منزلها
لدى عودة ركانة حمور مع اطفالها ( خمس سنوات و سبعة سنوات و تسعة سنوات ) و لدى توقفها بسيارتها امام باب البناية و انزال اطفالها هجم عليها حوال ستة رجال قاموا بدفع أولادها عنها بوحشية و قاموا باغتصاب حريتها بقوة و دفعوها بعنف الى داخل سيارة مدنية ذات نمرة طرطوس و منعوا احدا من الاقتراب منها و انطلقت السيارة بسرعة دون التعريف عن مكان التوجه او مصدر الاشخاص و يذكر انها قد تلقت منذ يومين تقريبا تهديدا من قبل الامن السياسي الفرع الداخلي بدمشق انهم يريدون التحقيق معها و لما رفضت الذهاب الى التحقيق دون ان تتسلم بطاقة استدعاء قانونية و نظامية قاموا اليوم باختطافها باسلوب العصابات

Syria : nisy naka an-keriny i Roukana Hamour !
Teo am-pampirimana ny fiarakodia teo amin'ny toerana voatokana ho azy sady nanampy ireo zanany (9 sy 7 ary 5 taona) hivoaka ny fiara i Roukana Hamour, no indray notafihin'ny lehilahy enina izay tsy fantatra izay nihaviany, nanosika mafy hampisaraka ireo zanany tamin-dreniny ireo mpanafika, no sady nanao an-kerisetra nampiditra an-Dramatoa ho ao anaty fiara izay fanana'ny Tartossi araky ny laharana nentin'ny fiara. Tsy navelan'ireto mpanafika hanatona ity vavolombelona iray nanatrika teo no sady nitsoaka haingana ry zareo ka tsy fantatra hoe iza na aiza ny toerana nitondrany an-dRamatoa.

و معلوم ان ركانة حمور تتعرض للتهديد بسبب مطالبتها بحقوقها المالية التي سلبت بيد اشقائها و بالتعاون مع ضباط كبار و مسؤزلين حيث ان ثروة والدها المرحوم محمد مطيع حمور وكيل الخطوط الجوية السعودية تبلغ المليارات تبخرت كلها من المصارف السورية بواسطة التزوير

Tsara ny manamarika fa andro vitsivitsy lasa izay dia naharay antso an-tariby avy tamin'ny Mpitandro ny Filaminana ara-Pôlitika Anaty i Roukana Hamour manainga azy ho tonga hatao famotorana. Ary satria izy dia nanda nohon'ny ny tsy maha-ara-dalàna izany fomba fiantsoana izany satria tsy fantany izay lohahevitra itoriana azy, dia ry zareo izao tonga naka azy an-keriny toy ny fanaon'ireo jiolahy izao.

و يشار الى انها قد سبق و ان تلقت تلميحا بان يتم التحرش بها جنسيا و لربما الاعتداء عليها في سبيل ان يحصل المجرمون على توقيعها للتنازل عن حقوقها و عدم المطالبة بحقوقها خاصة و أنها قد ارسلت عدة مرات رسائل توضح فيها ما جرى و يجري من سرقات و اختلاسات تطال وكالة الخطوط الجوية السعودية الى سمو خادم الحرمين الشريفين الملك عبد الله بن عبد العزيز و كان اللصوص يخشون ان تصل هذه الملفات الى سمو الملك عبد الله بن عبد العزيز لانه لن يكون بامكانهم تخليص انفسهم بواسطة الرشوة كما يفعلون في سوريا حيث بامكانهم ان يشتروا اي فرع امني ليضغط على ركانة حمور للتنازلو لا يزال مصيرها حتى الساعة مجهولا

من المعروف ان ركانة حمور من ابرز المدونين السوريين و الاحرار الذين يرفعون راسهم مصرين على كرامتهم و حقهم

دمشق في 25 / تشرين الثاني 2007

Tsy misy tsy mahalala fa misy fampihorohoroana mianjady amin’ i Roukana Hamour hatramin'ny nitakiany fanonerana ny anjarany amin'ny adim-pananana iadiany amin'ny anadahiny izay miara-miasa amin'ny manam-kaja ambony ao amin'ny fitondrana Syriana. Ireo lavitrisa izay lova navelan'itompokolahy Mohammad Moti’ Hamour rainy, izay mpitondra tamin'ny orinasam-pitaterana Saudi Air Lines, dia nanjavona tamin'ny banky Syriana tamin'ny alalan'ny fanodikodinam-bola.
Nampitahorina hatramin'ny fanolanana i Roukana Hamour raha manda ny hanao sonia ireto taratasy amelany ny anjarany indrindra koa fa nandefa taratasy fitoriana tany amin'ny mpanjaka Saodiana Abdullah bin Abdulaziz izy nitory ireo halatra sy fanodikondinana izay nihatra tamin'ity orinasam-pitanterana Saudi Air Lines ity. Natahotra ireo mpangalatra sao tonga any amin'ny mpanjaka izany taratasy izany, raha ny fitoriana nohon'ny halatra kosa tsy nahiany nohon'ny fahafahany mividy ny rafitra iray manontolon'ireo Mpitandro Filaminana Syriana mba hanao tsindry hazolena an'i Roukana Hamour sy hanery azy hilavo-lefona.

I Roukana Hamour dia isan'ny sangany amin'ireo mpiblaogy Syriana, ary tsy azo izoviana intsony ny fijoroany ho fiadiana hoan'ny fandalana ny zon'olombelona any Syria.

Damaskosy, 25 Oktobra 2007.

Efa nalaina an-keriny indray mandeha talohan'io i Roukana Hamour, fony izy nitatitra teo amin'ny blaoginy izay nosedrainy tamin'ny fitsarana sy ny fitondram-panjakana Syriana, ary koa ny fanjakan'ny kolikoly ao amin'ny rafitra ara-banky sy ara-pitsarana. Tamin'ny 15 Oktobra 2006, dia efa nisy naka an-keriny tao an-trano i Roukana Hamour ary rehefa avy nambanany basy dia notaritarihin'ny Mpitandro ny Filaminana eran'ny arabe teo imason-janany izay mbola madinika.

Misy tatitra vao tsy ela avy tamin'ny Human Rights Watch [fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana izay miady hoan'ny fandalana ny zon'olombelona amin'ny fampahalalana ampahibemaso izay fihetsika ataon'ny mpanao herisetra any amin'ny mangigina] manambara fa misy Syriana roa izay voatazona mangigina any amin'ny toerana tsy misy mahalala. I Karim ‘Arbaji (29 taona) sy i Tarek Biasi (22 taona) dia nosamborin'ny sampana misahana ny fitsikilovana ao amin'ny Tafika Syriana tamin'ny volana Jona 2007 nohon'ny fanambarany teo amin'ny aterineto ireo heviny izay misy fanakianana ny Gôvernemanta Syriana. Misy olona iray fahatelo, i Ali Zein al-’Abideen Mej’an, izay ny fametrahana hafatra mitsikera an'i Arabia Saodita no antony nisamborana azy, ary dia nosazian'ny fitsarana tampony higadra mandritra ny roa taona.

Sami Ben Gharbia

2 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Tomavana

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.