Colombia: Niatrika ny Fitsarana faratampony ny filoham-pirenena Uribe

Niseho tao amin’ny fahitalavi-pirenena [kolombiana] ny Filoha Álvaro Uribe Vélez ny alatsinainy 8 oktobra nanambara fa vao noampangaina ho nibaiko ny famonoana ny lehiben’ny milisy mitam-piadiana fantatra amin’ny anarana hoe René ny tenany. Hoy ny Reuters,

The court, which is probing dozens of Uribe's political allies on charges they supported paramilitary death squads, accuses the president of obstructing those investigations while Uribe says it is plotting against him. In several radio interviews, Uribe said on Tuesday the court offered benefits including a reduced sentence to jailed paramilitary chief Jose Moncada in exchange for testifying that the president ordered the killing of another militia boss in 2003. He made the charge in private questioning last week and news of his testimony has just begun circulating.

Ny fitsarana izay manadihady ny mpiara-dia amin’ny filoha Uribe eo amin’ny politika ampolony no miampanga azy ireo ho manohana antoko-tafika milisy mpamono olona, ary manameloka ny filoha ho manelingelina ny fanadihadiana. Mamaly kosa ny filoha Uribe fa tetika hamelezana azy izao. Amin’ny resadresaka fandre amin’ny onjampeo no nitenenan’ny filoha Uribe fa omen’ny fitsarana fampihenantsazy ny filohan’ny milisy Jose Moncada raha mijoro vavolombelona izy fa nanome baiko ny hamonoana ny sefona milisy hafa tamin’ny 2003 ny filoha. Nataon’I Jose Moncada tamin’ny herinandro lasa izany tao amina fanadihadiana tsy natrehin’ny be sy ny maro ary vao manomboka miely izany fijoroana vavolombelona izany.

Nanampy ny resaka ny Xinhua:

“The country needs to know if the president is an assassin or if the lawyer and Mr. alias Tasmania are liars. All we Colombians can be investigated, starting from the president, but it is necessary that the means be legal and decent,” Uribe told a press conference. […] Velazquez has received the unanimous support of the supreme court's 23 judges through a communique.Uribe said, “I believe that it is bad to obtain a deceitful confession through torture or through gifts.” High peace commissioner, Luis Carlos Restrepo, said in 2004 that “Rene” confessed to him that he feared to be a victim of assassination attempts ordered by Uribe or by the government forces, and that is why he had refused to leave the concentration region.

“Te hahalala ny firenena hoe ny filoha ve no mpamono olona sa ny mpitsara sy Atoa alias Tasmania no mpandainga. Afaka hadihadiana avokoa ny Kolombiana rehetra ary miandoha amin’ny filoha izany, fa ilaina izany ho mifanaraka ny lalàna sy anaty fifanajana” Hoy ny filoha Uribe nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety. […] Nahazo fanohanana tsy misy ankanavaka avy amin’ny mpitsara faratampony 23 tao amina fampandrenesana iraisana i Velazquez.Hoy Uribe : “mino aho fa tsy mendrika ny fiaikena azo tamin’ny alalan’ny fampijaliana na fanomezana [kolikoly].” Nilaza moa ny filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana, Luis Carlos Restrepo, fa tamin’ny 2004 no nambaran’i “Rene” taminy fa matahotra ny hovonoin’ny vondron-kery avy amin’ny fitondrana na noho ny baikon’i Uribe ny tenany, izany hoy izy no tsy ialany mihitsy amin’ny faritra be mponina.

Re fa tamin'ny alahady dia nentin'ny zokiny Santiago Uribe tany amin'ny filoha ny taratasy avy amin'i mpitarka Moncada, alias Tasmania (na i Taz-Mania angamba, hatramin'ny adi-hevitra nafana tao amin'ny fahitalavitra izay fantatry ny Kolombiana kokoa fa tsy ilay [biby] avy any Aostralia, araka ny filazan'ny gazety El Tiempo [ES] io.Niteraka adi-hevitra mafotaka ifanoheran’ny mpanohana ny filoha sy ny mpanohana ny Fitsarana Tampony tao amin’ny tontolon’ny bilaogy Kolombiana araka ny mahazatra moa ity toe-draharaha ity, indrindra rehefa nilaza [ES] ny filoha fa “manana fifandraisana akaiky amin’ireo mpanao politika mihoatra ny 30 mpitarika ny Vondrona mitam-piadiana kolombiana teo aloha” ny mpitsara Iván Velásquez, ny anankiray izay ampangain’ny filoha, maro amin’izay ireo no ao anatin’ny mpiaradia amin’ny fitondrana, ary tafiditra amin’izany ny rahalahy (tsy iray tampo) amin’ny filoha, dia ny loholona Mario Uribe Escobar.
Carlos Cuentero [ES] no nanoratra tao amin'ny at El desván:

Gritos e insultos a la Corte Suprema de Justicia… ¿dictadura democrática?

Tabataba sy ompa omena ny Fitsarana faratampony ve… jadon’ny maro an’isa[demokrasia]?

Ao amin’ny blaogy Atrabilioso [ES], no amehazan’ i Miguel Yances mpanao gazety raharaha sy fanafihan’ny haino aman-jery Kolombiana:

Lo extraño de este suceso es que la opinión especializada que difunden los medios masivos, de forma casi generalizada se dedicó a descalificar, no a Tasmania ni al magistrado, sino al presidente; mientras que en la Urna Virtual de Caracol, más del 70% de quienes participaron, estuvieron de acuerdo con el proceder presidencial. ¿Por qué algunos políticos, periodistas y medios masivos -me consta que El Universal no- le cargan tanta bronca al presidente? ¿Solo por qué es buen negocio; o por venganza? La venganza la sanciona la opinión pública, y el dinero es bueno y necesario, pero hay que medir bien las formas que se usan para conseguirlo.

Ny hafahafa amin’ity raharaha ity dia ny hevitra manokana aelin’ny haino mana-jery izay, amin’ny ankapobeny, tsy manakiana an’i Tasmania na ny fitsarana [Velásquez] fa ny filoha kosa, nefa ny fitsapan-kevitra tsy tena mivaingana tao amin’ny caracol TV dia mampiseho fa ny 70%n’ireo nohadihadiana dia mankasitraka izay ataon’ny filoha.
Koa nahoana moa ny mpanao politika sy ny mpikirakira haino aman-jery –afaka lazaiko hoe i El Universal koa [izay iasan’ny mpanoratra Yances isan’andro] no mampiakapeo mafy dia mafy amin’ny filoha ? noho ny fahazoambola betsaka sanoho ny valifaty ? Faizin’ny hevi-bahoaka ny valifaty ary tsara sy ilaina ny vola fa ny fomba fahazoana azy ilaina ho voalanjalanja tsara.

Hoy kosa I Valentina Díaz ao amin’ny Realidades Colombianas [ES] :

¿Qué interés oculto tiene el presidente para seguir en la misma tónica echarle leña a la fogata contra el poder judicial y presionar para orientar las investigaciones de la Fiscalía? ¿Por qué el Comisionado de Paz asegura que “alias ‘René’ no se desmovilizaba porque tenía miedo que el presidente y su amigo Ernesto Garcés lo mataran”? Por eso y mucho más hay quienes creen que estamos al borde del desplome institucional.

Fa tombotsoa inona moa no afenin’ny filoha mandraraka lasantsy hatrany amin’ny afo izao raha manohitra ny ny fitsarana izy ka toy ny manelingelina ny fanadihadiana tokony alehan’ny famotorana ataon’ny fampanoavana? Nahoana moa ny vaomieran’ny fandriampahalemana no nidradradradra fa tsy hametraka ny fitaovam-piadiana ry Alias René satria manahy rangahy io fa hamono azy ny filoha sy ny namany Ernesto Garcés? Noho io antony io sy noho ny zavatra hafa marobe ihany koa dia mino izahay fa eo amoron-tevan’ny fidarabohan’ny fahefam-pitondrana iray isika.

Ao amin’ny equinoXio [ES], dia tsikerain’I Carlos Uribe ny fanakoakon’ny fipoahan’ity toe-draharaha ity eo amin’ny haino aman-jery:

Es necesario concluir también en que alguien –persona o grupo– desconocido aún, ha sido el promotor de todo este lamentable enredo para quizás poner el debate nacional en otra parte y desviar la atención de todo el mundo, incluidos por supuesto los medios de comunicación que corren desbocados y sin criterio detrás del escándalo.Persiste, finalmente, la confirmación de que la Corte Suprema de Justicia –como le ha tocado otras veces a la Corte Constitucional– anda enfrentada a la Presidencia, porque aquí hay que incluir a todos los turiferarios. Y que el Presidente de la República no pierde oportunidad para revolver la opinión, para hacer uso y abuso de los medios de comunicación, más allá de la mesura deseable, y que sobre todo, le encanta el poder concentrado en una sola figura, la suya, que ahora comienza a ser promovida como candidata a un tercer periodo presidencial. Que Dios nos ayude, si es que ya no ha firmado un acuerdo con nuestro piadoso soberano.

Raha fehezina izany dia misy olona na vondron’olona miezaka ny hampiely ity raharaha ity ho fiadian-kevitra manerana ny firenena ary hanodina ny sain’ny rehetra, ary tafiditra amin’izany ny gazety be mpamaky izay hivoy azy mandrakariva. Hivoitra ihany amin’ny farany fa , tahaka ny tamin’ny Fitsarana momba ny Lalampanorenana, dia ny Fitsarana Faratampony no mifanandrina amin’ny fiadidiana ny repoblika, satria hitantsika ao avokoa ireo [bevava na sahobakaka izany hoe ireo mahasahy miteny ?] rehetra. Ary tsy misy fotoana anadinoan’ny Filohan’ny Repoblika ampiasana (tafahoatra aza) ny haino amanjery, ankoatra ny fifehezantena, ary ambonin’izany rehetra izany, tiany angonina eo aminy avokoa ny fahefana rehetra, hahazoany manomana avy hatrany ny firotsahana hofidiana ho filoham-pirenena fanintelony indray. Moa va tsy efa misy fifanarahana mbola tsy voasonia avy hatrany atao amin’ny mpitondrantsika mpivavaka !

Noraisin’i Tienen Huevo [ES] ho karazana vazivazy ny nametraka an-tsary an’I Tasmania ho Taz sy I Alias René ho Kermit Rasahona, fantatra any Amerika latina amin’ny hoe Rana René.

Carlos Raul Van der Weiden Velasquez

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.