Afrika : Avia amin'ny boatin-drakitra io anilanao io

Ny blaogy Diary of a Mad Kenyan Woman na diarin'ilay vehivavy Kenyana adala dia mizara ny fijeriny feno fanontaniana mihoatra ny firongatr'ireo « asa soa » Erôpeana any Afrika :

« I am intrigued by the recent proliferation of web-based giving and I have been keeping a curious eye on sites such as Kiva.org and Heifer International, in an attempt to understand what is going on. A few days ago, I found the Guardian Unlimited’s new idea: Katine. I was somewhat displeased, to say the least, to find that the Guardian thinks this Ugandan village exists in a time-warp. »

« Nanintona ahy ny firongatr'ireo vohikala misahana fanangonana famatsiana tato ho ato, ary mba hahalalana bebe kokoa izay tena fandehan'ny raharaha dia narahiko maso ny ireo vohikala toy ny Kiva.org sy Heifer International. Andro vity lasa izay dia nahatsikaritra ny hevi-baovaon'ny vohikala Guardian Unlimited aho : ny fanohanana ny tanànan'i Katine. Raha tsy hiditra lalina loatra dia azo lazaina fa somary tsy nankasitraka ihany aho, raha nahita fa heverin'ny Guardian Unlimited ho mbola miaina amin'ny fomban'ny ntaolo izay efa tena lany andro ity tanàna ity. »

Ndesanjo Macha

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.