Pakistana Taitran’ny Fanafihana

Tamin’ny fiverenan-dramatoa Benazir Bhutto, praiminisitra teo aloha, avy any an-sesitany valo taona sy tapany, dia filaharam-bahoaka manohana azy anarivony maro sy mpanao vivery ny ainy roa nanapoaka ny baombany no nitsena azy. 136 no maty noho izany fanafihana izany. Nitovy avokoa ny fanambarana nataon’ny mpanao politika Karana hatramin’ny ampitso maraina, ary ny fanamelohana kosa dia mipaka any amin’ny rehetra raha araka ny fijerin’I Musharaf; avy amin’ny sampam-pitsikilovana, MQMn’ny mpitarika Altaf Hussain ary ny Al Qaeda sy ny Taliban kosa no melohin’I Benazir.

Fa samy manana ny heviny kosa ny tsirairay amin’izay tompon’andraikitra amin’iny fanafihana iny.

Nanan-kambara avy hatrany tokoa ny tontolon’ny bilaogy karana raha vao nitranga iny fanafihan’ny mpampihorohoro iny. All Things Pakistan dia naneho ny fihetsika fanao amin’ny zava-mitranga toy ireny; fehezin’I Pakistani Spectator [Mpijery Karana] kosa fa hiteraka fanohanana betsaka ho an’ny PPP iny fanafihana iny; ary mitantara ny fandehan’ny tantara sy ny setriny nataon’ny olona tamin’io fanafihana io. Mitantara ny zava-nisy manodidina ny fanafihana sy ny fihetsika hita tamin'izany koa i Ali Eteraz.

 Tao anaty hatezerana no namalian’I Tears of the moon[Ranomasom-bolana], ny zavamisy politika ao Pakistana,

First of, we all know we are blessed with the most conscientious of leaders… Leaders? Let me rephrase that… We have been blessed with politicians deigned to rule us with all their gracious, sloth like selves encased in gilded cages and bullet proof enclosures. They are for the ‘awam’ while they stand behind hordes of people from the awam to keep them safe from the awam. Oxymoron, is it? But just the term, morn should suffice here!

Voalohany, mahafantatra avokoa isika rehetra fa notahiana manana ireo mpitarika mahatsapa adidy…Mpitarika ? Aleo aloha ahitsy ny fehezanteny…Notahiana isika amin’ireto mpanao politika manetry tena hitondra antsika ao amin’ny fahatsaram-pony, Mitalapetraka tsara tahaka ny vatasarihana anaty fefy volamena maharo tsara amin’ny bala fitorahana. Mila ‘awam’[sarambambem-bahoaka ?] ry zareo rehefa mijoro aorian’ny andiam-bahoaka avy amin’ny awam mba hiarovana azy ireo amin’ny awam. Oxymoron [izany hoe teny mifanohitra ampiarahina tahaka ny teny hoe mamy-masira ve ity] moa ? ilay teny ihany izany, Moron [Psykolojia avy amin’ny teny grika moros: fahadalana] ihany dia efa ampy eto !

Fa misy tranga iray tena mahaliana avy amin’ny dokotera Shahid Masood (mpamakafaka ara-politika ao amin’ny onjampeo ARY) izay milaza fa nahazo tsiliam-baovao avy amin’i Benazir Bhutto [praiminisitra Pakistaney teo aloha] nandefa taratasy tany amin’i Perzev Musharaf [filoha Pakistaney]izy, momba ny diany hizotra ho any Pakistana, fa nanome anarana mpanao politika telo i ramatoa amin’izay tokony halaina ambavany ho toy ny ahiahiana raha sanatria ka misy mamono izy rehefa tonga any Pakistan. Mbola notazoniny ho tsiambaratelo mazava loatra ireo anarana telo ireo.

Mitana ny Ben’ny tanànan’i Karachi noho ny tsy fahatomombanan’ny fiarovana kosa i Zindagi, raha manana fijery manohana ny fahatongavan’i Benazir miverina an-tanindrazana kosa i the Glasshouse ary nametrapetraka tsara ny resaka amin’ity toe-draharaha ity :

Senior PPP party members were quick to blame the regime's secret agencies for carrying out these blasts. A successful return for Benazir Bhutto does threaten the Musharraf regime, so these accusations do have a logical basis, particularly when these agencies are known for carrying out such incidents.

Kinga dia kinga ny loholona sasany ao amin’ny PPP nanameloka ny sampam-pitsikilovan’ny fitondrana ho atidohan’ireny fanapoahana ireny. Mampatahotra ny fitondran’i Musharraf ny fahombiazan’ny fiverenan’i Benazir Bhutto, noho izany misy fahamarinany io fanamelohana io, indrindra fa fantatra amin’ny fahaizany manao ireny toe-javatra ireny ny sampam-pitsikilovana.

Desicritcs kosa manambara trangan-javatra vitsivitsy milaza izay mety ho tompon’antoka amin’ny fanafihana. Araka izay hita ao amin’ny Counterterrorism blog. Ary farany, Beyond the Punchline kosa mametraka fa noho ny kiribibin’i Benazir ihany no mahatonga ireny toe-javatra ireny hitranga.

Aoka ho fantatrareo fa hiverina hody any Karachi ihany koa aho rehefa nanao sesitany ny tenako nandritra ny valo volana noho ny asa, mety ho eo amin’ny herinandro voalohan’ny volana novambra eo. Fa aza matahotra, tsy hitaona ny olona hanao filaharambe aho hitsena ahy amin’ny fahatongavako.

Omer Alvie

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.