- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina : Youtube voasakana

Sokajy: Shina, Fahalalahàna miteny

Toa voasakana tsy ho hitan'ireo mpampiasa aterineto avy any Shina tokoa i Youtube raha ny filazan'ireo vavolombelona maro sady samihafa fihaviana. Ny mpiblaogy Ken Wong [Shinoa Zh] dia manamarika fa ity fanakanana ity dia nipoitra fotoana fohy (iray andro monja) taorian'ny nivoahan'ny Youtube amin'ny fiteny nentim-paharazana Shinoa [1].

Ny blaogy Transpacifica [Anglisy] dia nanamarina koa [2] io vaovaon'ny fanakanana an'i Youtube tsy hoa avy any Shina io.

Oiwan Lam [3]