- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Meksikô : Nilàna fiarovana ny sary vongan'i Christophe Colomb

Sokajy: Amerika Latina, Meksika

Ankalazaina isaky ny faha-12 Oktobra any Amerika [USA] ny Columbus Day izay andro fankalazana ny fahatsiarovana ny nandiavan'i Christophe Colomb ny kôntinanta Amerikana voalohany, any amin'ny ankamaroan'ireo firenena any Amerika Atsimo [na Amerika Latina] kosa dia andro fisaonana ny Día de la Raza na andron'ny fandripahana [FANAMARIHANA: amam-tapitrisany ireo « mena hoditra » maty, maro koa ireo foko ripaka, taorian'ny fanjanahan'ny Erôpeana ny Amerika Atsimo], ny mpiblaogy Juan Carlos Romero Puga izay miblaogy ao amin'ny Vivir Mexico dia mampiseho an-tsary ny fomba izay niarovan'ny manam-pahefana ny sary vongan'i Christophe Colomb any Meksikô [Mexico] tsy ho lasibatry ny hatezeran'ny mpilahatra any an-toerana [1] [Espagnôla].

Eduardo Avila [2]