- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Afghanistàna : I Baban'i-Safrana

Sokajy: Afganistana, Fitantanam-pitondrana, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Ny blaogy Safrang dia mitantara [1] [Anglisy] ny tantaran'i « I Baban'i-Safrana » [Baba-i Za’faran] izay mpamboly rongony sy zava-mahadomelina taloha ary niova ho mpamboly Safrana ankehitriny [FANAMARIHANA: tsongaina avy amin'ny voninkazo, ny Safrana no mpanome tsiro (épice) lafo indrindra ara-danja eran-tany efa hatramin'ny amam-polo taonany maro izao : safran [2] | saffron [3] | vokatra indray mandeha isan-taona ary tsy latsaky ny voninkazo miisa 150'000 vao azahoana 1kg-na Safrana]. Ambaran'io mpiblaogy io fa ny Ministeran'ny Fambolena Afghanistàna mihitsy no nametraka ny anaram-bosotra « Rain'ny Safrana » hoan'ity mpamboly antidahy ity izay manampy ireo mpamboly hafa izay te-handao ny fambolena rongony mba hianatra ny voly Safrana. Ahitana ny sarin'io lehilahy io ny blaogin'i Safrang.