Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Afghanistàna : I Baban'i-Safrana

Ny blaogy Safrang dia mitantara [Anglisy] ny tantaran'i « I Baban'i-Safrana » [Baba-i Za’faran] izay mpamboly rongony sy zava-mahadomelina taloha ary niova ho mpamboly Safrana ankehitriny [FANAMARIHANA: tsongaina avy amin'ny voninkazo, ny Safrana no mpanome tsiro (épice) lafo indrindra ara-danja eran-tany efa hatramin'ny amam-polo taonany maro izao : safran | saffron | vokatra indray mandeha isan-taona ary tsy latsaky ny voninkazo miisa 150'000 vao azahoana 1kg-na Safrana]. Ambaran'io mpiblaogy io fa ny Ministeran'ny Fambolena Afghanistàna mihitsy no nametraka ny anaram-bosotra « Rain'ny Safrana » hoan'ity mpamboly antidahy ity izay manampy ireo mpamboly hafa izay te-handao ny fambolena rongony mba hianatra ny voly Safrana. Ahitana ny sarin'io lehilahy io ny blaogin'i Safrang.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.