bengladesh: Mandà ny hamantarana azy ireo ny Mpibilaogy

Fanadihadiana manokana avy amin’ny E-Bangladesh izay namoaka naoty avy amin’ny (Vaomiera Mpandrindra ny Fifandraisandavitra Bengalia) Bangladesh Telecommunication Regulatory Commission (BTRC) izay nampahafantatra amin’ny Internet Service Providers (ISP) 72 na orinasam-pividianana fanovozan-tserasera 72 ao Bengladesh mba hanome ny anaran’ny mpanjifa tsirairay sy hilaza amin’ny antsipirihany izay notovoziny rehetra.

 Nampahafantatra ary ny E-Bangladesh fa tsy ho ara-dalàna ka tsy maintsy ajanona ny fampiasana VOIP ary vao nekena ny fahafaha-misava any an-tranon’olona mpanovo serasera.   Jereo ny antsipirihany ao amin’ny Global Voices Advocacy report .VOIP(Voice over Internet Protocol) dia haitao mora vidy ao amin’ny aterineto manakely kokoa ny fandaniam-piantsoana ary azo atao tahaka ireny amin’ny karatra fiantsoana (finday) ireny.

Mihamaro tokoa moa ny Bengalia mieli-patrana manerantany izay mampitombo ny filana fifandraisan-davitra iraisam-pirenena. Noho ny fahabangan’ny fitantanana sy ny fitsinjovana ( na fahaiza-mitondra fotsiny izao izany) eo amin’ny mpitondra dia anarivony ireo mpampanofa VOIP (eritrereto ilay mampanofa finday manerana ny tanàna eto amintsika ireny fa amin’ny aterineto ilay izy) niforona tao anatin’ny telo na efatra taona ary ireo no afaka manolotra fiantsoana amin’ny any ivelany. Saiky mbola tanora avokoa ny mpandraharaha izay nahita fa ahazoana tombony ny manao ity asa an-tselika (bizina) ity. Miompana amin’ny fampiasana aterineto faingam-pandeha, amin’ny finday sasantsasany afa-miresaka amin’ny alalan’ny aterineto koa ary amin’ny fampiasana switch  ny asa ataon’izy ireo. [tsy dia mahay ny hairaha momba ny aterineto loatra aho fa ny switch dia ilay fitaovana kely toy ny felantanana ahafahana mampifandray solosaina maromaro mifanila toerana, tsy modem io araka ny fahalalako azy]. Nanimba be dia be ny tsenan’ny BTTB io toe-javatra io. Nidina ambany dia ambany mampahatahotra ny vola niditra tao aminy ary voatery nanao varoboba ny sandam-piantsoana iraisam-pirenena ry zareo. Nefa tsy te-hampiasa io haitao vaovao io ry zareo fa ny handrara ny fampiasana azy kosa no ezahiny.

 Hatramin’ny volana janoary no mankaty dia efa nanao izay hampitsaharana ny fampiasana VOIP ny BTRC ka lazainy fa tsy ara-dalàna io hairaha io nefa dia tsy omeny solon’asa ireo mpampanofa VOIP ireo. Fa vao haingana ny governemanta no nanambara fa hanome fahazoan-dalana mpampiasa VOIP efatra ry zareo. Mieritreritra ny maro fa ny naoty voalaza ery amin’ny fanombohan’ny lahatsoratra ery dia hiarovana (ny tombotsoa ho azon’) ireo orinasa efatra ireo. 

Ny fanadihadiana nataon’ny BBC no nanamafy izay nolazain’ny tale jeneralin’ny ISP ao Bengladesh fa ho fanamorana sy fanatsorana ny fanaraha-maso ny tolo-tserasera ho an’ny tsirairay no banjinina. Efa hikarakara ny fametrahana ny lisitry ny mpampiasa ny aterineto (andeha hataontsika hoe olonineto manomboka eto tahaka ny namoronan’ny sasany ny teny hoe netizens ihany koa.) amin’izany filazana izany.Nitroatra ny mpiblaogy.

 Nanoratra ao amin’ny Unheard Voices(feo tsy re): Drishtipat Blog I Rajkomaree: 

Now BTRC orders ISPs to reveal admin password, user data , usage pattern, IP address and so many other things (i even don’t know we need so many things to use the net) of each and every individual to track, monitor and record their activities…..

But can they do it? No. as far as you can remember, the constitution is not yet suspended or scrapped in Bangladesh. And that is supposed to be the supreme law of the country. According to Article 43 every citizen shall have the right to be secured in his home against entry, search and seizure, and to the privacy of his correspondence and other means of communication.


Manome baiko ny ISP ny BTRC ankehitriny hanomezana amin’ny vaomiera ny tenimiafina, ny karazantsoratra fampiasany (tsarovy fa manana ny sorany ny karana, ary misy koa ny mampiasa soratra arabo fa tsy alfabeta romana loatra no ampiasainy), ny adiresIm-Pivoizana IP, ary ny zavatra maro izay tsy fantatro akory aza ny fisiany amin’ny fampiasana itony aterineto itony. Tsy adino mazava loatra ny mombamomba ny olonineto tsirairay ary izany no atao mba ahafahana manjohy (mandrohy raha amin’ny aterineto), mijery ary mandrakitra izay rehetra ataon’ny tsirairay… Fa moa ve afa-manao izany baiko izany ry zareo? Tsia, satria araka ny fahalalako dia tsy mbola nahantona na nanesorana ny lalam-panorenana eto Bengladesh. Nefa dia io no heverina ho lalàna faratampon’ny firenena. Araka ny Andininy faha-43 dia mananjo feno amin’ny ho arovana amin’izay mety ho fidirana na fisavasavana na famaboan’ny avy any ivelan’ny tokantranony izy rehefa ao an-tranony. Dia toy izany ihany koa ny fananany zo tsy hotsikilokilovina ny taratasiny na ny fomba fifandraisana hafa rehetra ataony.

Namorona sainam-pamantarana kely I Arup ho fanoherana ny fanarahamaso ny aterineto ary miangavy [bn] ny mpibilaogy rehetra ao amin’ny sehatra Sachalayaton mba hampiasa io sary io ihany koa ho solon’ny sariny.Saingy tsy nitovy hevitra amin’izany fa hafa kosa ny hevitry ny blaogy Shada Kalo:

Internet monitoring and control may be very real in Bangladesh. After all, there is a brand-new, 175 person agency being set up to monitor phone conversations.

But this letter, and the current BTRC search and seizures have nothing to do with curtailing free speech (but VOIP).

Azo tanterahina tsara ny fanarahamaso izay jerenao sy ataonao ao amin’ny aterineto eto bengladesh. Ity misy vaovao lazaiko anao, efa mitsangana izao ny sampan-draharaha hihaino resaka amin’ny finday sy antso an-tarobia ka olona 175 no ao anatin’izany.Fa io taratasy (naoty) io sy ny fikarokarohana sy fisamborana ataon’ny BTRC io dia tsy hanakana ny fahafaha-miteny velively (afa-tsy ny VOIP).

 Niteny [bn] io mpiblaogy io hoe:

In todays era of Globalization people will choose the technology which is cheap and easy to use. Nobody can stop the technology.

When Fax technology was introduced in Bangladesh BTTB did not legalize it for two years stating that it will hamper its Telegraph and Telex business.


Amin’izao fotoanan’ny Famaohana izao dia hifidy izay hairaha mora vidy no mora ampiasaina ny olona. Tsy misy afaka manakana ny fandrosoan’ny hairaha.Fony tafiditra teto Bengladesh ny Fax dia mbola tsy neken’ny BTTB izy io nandritra ny roa taona satria noheverina fa hanimba ny tsenan’ny Telegrafy sy ny Telex.  Mash at Or How I learned to Stop Worrying kosa dia nitafatafa momba ny krizin’ny haino aman-jery vao nitranga tao Bengladesh izay notapenambava tamin’ny alalan’ny fandrahonana, fampitahorana ary ny sivana. Natsidiny ny sasany tamin’ny toe-draharaha:

With the Bangladesh media silenced, Bangladeshi bloggers, both inside and outside the country, have filled the void. Via SMS and the Internet Bangladeshi bloggers have been both reporting on events within the country and protesting the military government’s suppression of human rights.
…..
After mass protests broke out last August, the Bangladesh military government shut down cell phone networks and the Internet as it began its crackdown. It then embarked on a campaign of intimidation against bloggers and protesters outside the country. Now the military government has taken its battle against the Internet one step further.
…..
The irony in this report is that none of the newspapers in Bangladesh have reported on this action against Internet use. The only reports have come from Bangladeshi blogs, which obtained a leaked copy of the government order, and the BBC.


Amin’ny fahanginan’ny haino aman-jery Bengalia amin’ity raharaha ity dia ny mpiblaogy ivelany sy anatin’ny firenena no mameno ny banga. Amin’ny alalan’ny sms sy ny Aterineto no itateran’ny mpiblaogin’ny Bengalia ny zava-mitranga ao an-toerana sy anoherany ny fanafoanan’ny fitondrana miaramila ny Zon’olombelona.…..
Hatramin’ny naharesy tosika ny fihetsiketseham-bahoaka tamin’ny volana aogositra dia
nampanginin’ny governemanta miaramila ao Bengladesh ny finday sy ny aterineto fa handamindamin-draharaha izy. Dia hiditra amin’ny fandrahodrahonana ny mpibilaogy sy ny mpanohitra any ivelan’ny firenena indray izy. Ankehitriny efa miditra amin’ny dingan’ny fanafihana ny Aterineto indray ny governemanta miaramila.…..
Ny tranga mahatsikaiky mampalahelo dia tsy nisy gazety tao Bengladesh na dia iray aza niresaka io raharaha amin’ny fomba fampiasana ny aterineto io. Ny blaogy Bengalia nahita ny dika mitovin’ny baikon’ny governemanta ihany no nitati-dresaka, sy ny BBC.
Afaka manampy ny vondron’ny “FREEDOM OF INTERNET USERS IN BANGLADESH” ihany koa ianao hanarahanao ny vaovao. 

Rezwan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.