12 Oktobra 2007

Tantara tamin'ny 12 Oktobra 2007

Japàna : Mofo am-by-fotsy

  12 Oktobra 2007

I Lee dia manoratra ao amin'ny blaogy Tokyo Times [Anglisy] lahantsoratra mikasika itony mofo anaty boaty vy-fotsy amidin'itony fivarotana mivarotra hoazy [tsy misy mpivarotra] any Japàna itony. Oiwan Lam

Jamaìka : Tsy mba fantatra izay tena rain'ny zaza

  12 Oktobra 2007

Jamaica and the World [Anglisy] dia nanoina ny fandrenesany ilay vaovao tsy nampoizina momba ny fitiliana izay tena « rain-jaza » notanterahina tany Jamaìka: ny vokatra mantsy dia nampiharihary fa ny ampahatelon'ireo lehilahy nanao ny fitiliana dia tsy rain'ireo zaza araka ny fiheverany azy. Nicholas Laughlin

Arabia Saodìta : Tsaratsara kokoa raha vehivavy

  12 Oktobra 2007

Rasheed mpiblaogy monina any Arabia Saodìta dia manazava [Anglisy] fa aleo lavidavitra kokoa aza vehivavy ny tena, raha miditra itony magazaibe midadasika any Arabia Saodita itony, nohon'ny fampiharana ny lalàna manokana hoan'ny « mpianakavy ihany » ireny toeram-pivarotana ireny rehefa tonga ny hariva. Amira Al Hussaini

Resaka tontolo iainana amin'ny blaogy tamin'ity herinandro ity

  12 Oktobra 2007

Jirom-pamoivoizana intelo miova mandeha amin'ny herin'ny masoandro any Capetown, haitaon-trano manara-penitra sy manaja ny tontolo iaianana any Akra, any Ghana, fanontaniana mipetraka amin’ ireo orinasa milaza azy ho « maitso » [manaja ny tontolo iaianana], ary zana-Gôrila mahafatifaty kely any Afrika. Ireo rehetra ireo no hovoaboasina amin'ny ireo blaogy miresaka...