Ny vondron’ny Banky Iraisampirenena [Banque Mondiale | World Bank] sy ireo mpiray antoka aminy dia manambara ny famoronana ny Fifaninanana natokana hoan’ireo Afrikana Zanaka Am-pielezana monina aty Erôpa, izay mitady famantsiam-bola hoan'ny tetik'asa fampandrososana kasainy hotanterahina any Afrika na Tsena hoan’ny Fampandrosoana hoan’ireo Zanaka Am-pielezana Afrikana any Erôpa [Development Marketplace for African Diaspora in Europe (D-MADE) Grant Competition].
Ireo tetikasa 10 ka hatramin’ny 15 voafidy dia samy hovatsiana hatramin’ny 40′000 $ raha be indrindra. Amin’ny Zoma 23 Novambra 2007, amin’ny 04:00 oran’ny Bruxelles ny fe-potoana farany andefasana ireo tetik’asa. Notaterin’ny Kenyan Pundit [Anglisy].
3 hevitra
Ho anareo any ivelan’i Afrika ange izany no tena ivantanan’ny resaka e!
Ny anarana ery ambonin’ny takeleka fangatahana ihany angamba no tsy maintsy avy aty ivelany fa ny fiaraha-miasa kosa dia heveriko fa tsara kokoa aza raha anaovana tàna-maro aminareo any an-toerana ihany 🙂 Izaho aloha dia namporisika mba hisy fangatahana maro hitodi-doha aty Madagasikara fa dia ho hita miandalana eo ihany moa.