- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoatera: Nakatona noho ny tsy fandoavan-ketra ny Microsoft sy ny orinasa hafa

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Toekarena sy Fandraharahàna

Gazety malaza iray ao Ekoatera no namoaka filazana ny fikatonan’ny sampan’ny Microsoft ao an-toerana ao anatin’ny fito andro raha fohy indrindra. Efa ahiahiana toy izany ihany koa ny orinasa Ekoatoriana Odebrecht sy Noboa's Banana Exporter (angamba mpanondrana akondro ity farany ity O ?). Ny antony nanakatonana ny orinasa Microsoft moa dia ny tsy namenoany na tsy namerenany hatramin’ny volana febroary 2007 ny filazan-ketra.

Nampangain’ny SRI (Servicio de Rentas Internas) na [ sampandraharahan’ny karama] ny orinasa fa indroa miantoana izay izy io no tsy nampiseho ny filazan-ketra. Nanao fanentanana teo anivon’ny firenena ny talen’ny SRI Atoa Carlos Carrasco fa mahatratra 3 arivointelo dolara ($3.000.000.000), izany hoe ny 28.6%n’ny tetibola eritreretina ho amin’ny taona 2008 ny hetra tsy tafiditra amin’izao fotoana izao.

El UNiverso no namoaka voalohany ny tantara, ary narahin’ny CNN [1] sy ny mpibilaogy tahaka an’i Erebe.net [ES] [2] sy ny ao amin’ny Linux en Ecuador [ES] [2]
Eduardo Palacios [2] [ES] no nanoratra:

La inteligente sanción del SRI: cerrar las compañías siete días. Siete días que los negocios dejan de producir y que los clientes no recibirán una atención adecuada. No sería una multa lo más conveniente?

Fanakatonana ao anatin’ny fito andro no hitan’ny SRI ho fanapahan-kevitra mety. Andro fito tsy hiasan’ny orinasa ary tsy horaharahian’ny mpanjifa loatra. Tsy tsaratsara kokoa ve raha onitra no ampandoavina azy ireo ?

Nitanisa ireo orinasa hafa tsy nanara-dalàna teo anatrehan’ny governemanta Ekoatoriana kosa i Carlos Jumbo [ES] [3] :

Además de Microsoft del Ecuador, otras empresas como Mega Santa María, Panificadora Ambato, Agape S.A., y Laar Cía. Ltda cumplirán con la misma sanción temporal por los mismos motivos.

Ankoatra an’i Microsoft of Ecuador, ireto ihany koa ireo orinasa nahazo sazy mitovy aminy noho ny heloka itovizana :Mega Saint Mary, Ambato Bakery, Agape S.A. ary Laar Cia Ltd.

Milton Ramirez [4]