- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kôlômbia : Natolotra ny blaogy mitantara ny seraseram-barotra amin'ny alalan'ny hatsikana ny loka voalohany

Sokajy: Lahatsoratra Malaza, Lahatsoratra voalohany!, Iray volana, Lahatsoratra roa, Telo volana, Lahatsoratra dimy, Enimbolana, Lahatsoratra folo, Lahatsoratra dimy amby roapolo, Lahatsoratra dimampolo, Amerika Latina, Kolombia, Media sy Fanoratan-gazety, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina

Colombia En Línea banner

Natolotry ny CCIT [1] (Cámara Colombiana de Informática y Telecomunicaciones | Colombian Chamber of Telecommunications and Information Technology) izay ivondronan'ireo orinasa misahana ny serasera infôrmatika sy ny fifandraisan-davitra any Kôlômbia hoa an'i Se nos cayó el sistema [2] [Espagnôla] ny maripankahasitrahana loka voalohany hoan'izay Blaogy Mahafapo Indrindra tamin'ny taona 2007, resaka seraseram-barotra sy famokarana ary izay mikasika ny sehatry ny asa izay tantaraina amin'ny alalan'ny vazivazy manindrontsindrona no vokarin'ity blaogy ity. Ka na ny anarana nomena ilay blaogy aza dia ilay fehezanteny faheno ombieny ombieny any Kôlômbia, raha hanalatsiny ny toeram-piasany amin'izay tsy fahombiazana miseho ny mpiasan'ny orinasa : simba ny solosainanay.

Se nos cayó el sistema [2] es el libro de negocios [en curso] sobre los temas empresariales y de negocios en el entorno de negocios del tercer mundo. Es una mirada divertida a las historias y los componentes de estrategia, organización, tecnología, procesos y gente que hacen a las economías en desarrollo

Ny Simba ny solosainanay dia « business book » [mbola eo am-panoratana] [FANAMARIHANA: boky amehezana izay fandinihana rehetra natao mikasika ny tetik'asa iray ny business book, io boky io no fitaovana entina handresen-dahatra ireo izay rehetra ho mpiray antoka toy ny mpampindram-bola ohatra] mifantoka amin'ireo fanontaniana rehetra izay mety mipetraka amin'ny fandraharahana orinasa na izay mety ho seraseram-barotra aty amin'ny tany andalam-pandrosoana. Ity dia fijery kivalavala ireo tantara, sy ireo tetik'ady, sy rafitra, sy hai-tao, sy fandaminana ary mpiasa izay mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny toekarena.

Ity blaogy ity koa dia isan'ireo vitsy voatazona amin'ny hisafidianana izay homena ny loka The BoBs, The Deutsche Welle International Weblog Awards. [3]

Hoy ny mpiblaogy Víctor Solano [4] [Espagnôla] :

El blog ganador ha mostrado una suficiente coherencia conceptual y un enfoque disciplinado en el horizonte que se trazó. Con la mirada de un consultor que ausculta cada uno de los rincones del entramado organizacional, Andrés Naranjo deja ver un gran pragmatismo y no por ello descuida el humor y la dimensión social de cada uno de los momentos agrios y festivos de una empresa que se disculpa en la caída del sistema para evadir sus responsabilidades.

Ity blaogy nandrombaka ny loka ity dia nampiseho ny fifandraisan'ireo lahatsoratry ny mpanoratra amin'ny tanjona izay nofidany mialoha. Avy amin'ny fomba fijerina mpanolotsaina avy ivelany [consultant] izay nandinika ireo elakelan-trano sy zohy miafina rehetra tao anivon'ny orinasa iray manontolo, tsikaritra amin'ny diam-penin'i Andrés Naranjo ny fahafezany ity raharaha ity, anefa izany dia haroany tsikitsiky hatrany sady miaraka amin'ny tsikeram-piaraha-monina na amin'ireo fotoana marikivy na amin'ireo fotoam-pifaliana izay misy eo anivon'ireo orinasa izay misafidy ny hampitondra ny hadisoana amin'ny fahsimban'ny solosaina mba ialana amin'ny fanendrena izay tompon'andraikitra.

Ho ohatra ilay fomba fanoratra izay efa nomarihin'ingahy Solano tetsy ambony, dia indro atolotra anareo izay kabary nosoratan'ny mpiblaogy Andrés Naranjo tao amin'ny Se nos cayó el sistema raha niresaka momba izay fety izarana ity loka izy [5] :

No obstante, me parece interesante que este blog y su contenido – enfocado a temas de negocios, productividad, etc… – coincide con el zeitgeist del momento – (competitividad, productividad, etc…). Estoy seguro que eso tuvo que ver… y eso deja una lección de ventas (todo en este post es de negocios)… la lección es que es mas importante lo que estén comprando [el jurado] que lo que usted esté vendiendo!

Na dia izany aza, tombontsoa ho ahy ny fifanandrifian'ny lohahevitra izay voaboasan'ity blaogy ity (seraseram-barotra, famokarana, sns …) – amin'ny izay rivotra mitsoka ankehitriny – (fifaninanana, famokarana bebe kokoa, sns …). Ny hitsikitsika hono tsy mba mandihidihy foana fa ao raha, ka raha izaho manokana dia mino fa misy fifandraisana fa tsy kisendrasendra ny nahazahoako ity loka ity … ary misy lesona ara-barotra koa azontsika tovozina (atao ahoana fa tsy mety miala amin'ny varotra izay rehetra resahintsika eto …) dia tsarovy fa : na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, izay zavatra tian'izy ireo [mpitsara] vidiana dia manan-danja kokoa noho izay kasainao amidy !

Juliana Rincón Parra [6]