- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Myanmar : Miverina miandalana ny aterineto

Sokajy: Lahatsoratra Malaza, Iray volana, Lahatsoratra voalohany!, Lahatsoratra roa, Telo volana, Lahatsoratra dimy, Enimbolana, Lahatsoratra folo, Herintaona, Myanmar (Birmania), Teknolojia

Miverina mandeha miandalana ny aterineto any Myanmar [1] araky ny nambaran'i Nyein Chan Yar tao amin'ny blaoginy [Anglisy sy Birmana], mandritra ny 6 ora amin'ny alina. Na dia izany aza, ireo adiresy sasany toa ireo izay ampiantranoan'i blogger.com (blogspot) dia mbola tapaka ihany.

I Prachatai kosa dia manaparitaka amin'ny alalan'ny blaoginy [Anglisy], ny taratasy ampahibemaso nosoratan'ireo mpandray anajara amin'ny fivoriana mikasika ny fampandrososana an'i Thailandy [2]. Fiantsoana ireo governemantan'i Shina, sy Japana, sy Inda ary Thailandy « mba handray ireo andraikiny sy hampangina ireo tombontsoa ara-barotra aloha amin'ity indray mitoraka ity » fa hampihatra kosa fanerena amin'ny fitondrana ara-miaramila any Myanmar, no votoatin'ity taratasy ampahibemaso ity.

Preetam Rai [3]