Myanmar : Miverina miandalana ny aterineto

Miverina mandeha miandalana ny aterineto any Myanmar araky ny nambaran'i Nyein Chan Yar tao amin'ny blaoginy [Anglisy sy Birmana], mandritra ny 6 ora amin'ny alina. Na dia izany aza, ireo adiresy sasany toa ireo izay ampiantranoan'i blogger.com (blogspot) dia mbola tapaka ihany.

I Prachatai kosa dia manaparitaka amin'ny alalan'ny blaoginy [Anglisy], ny taratasy ampahibemaso nosoratan'ireo mpandray anajara amin'ny fivoriana mikasika ny fampandrososana an'i Thailandy. Fiantsoana ireo governemantan'i Shina, sy Japana, sy Inda ary Thailandy « mba handray ireo andraikiny sy hampangina ireo tombontsoa ara-barotra aloha amin'ity indray mitoraka ity » fa hampihatra kosa fanerena amin'ny fitondrana ara-miaramila any Myanmar, no votoatin'ity taratasy ampahibemaso ity.

Preetam Rai

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.