Nilamina ny Fifidianana teto Madagasikara saingy matroky ny fahavitsian’ny mpifidy sy ny hosoka.

Fandresena miezinezina no azon’ny antoko politikan’ny filoha Ravalomanana Tiako i Madagasikara (TIM) raha nahatafiditra depiote 106 amin’ny 127 iadiana izy na dia vitsy dia vitsy aza ny nifidy azy: 19.42% teto Antananarivo, renivohitry Madagasikara.

Nampiantso fifidianana ny filoha Ravalomanana rehefa nandrava ny Antenimieram-pirenena izay tsy maneho taratra intsony ny vokatry ny fitsapa-kevi-bahoaka tamin’ny volana Avrily nampanekena ny Madagasikara AmPerinasa (MAP) torolalana goavana kendrena hanala an’I Madagasikara amin’ny fahantrana.Na dia tontosa tamim-pilaminana aza ny fifidianana, ny mpibilaogy Jentilisa izay tsy nahita maso mivantana fotsiny ihany fa nandray anjara tamin’ny fanisana ihany koa, dia nahita tsy fetezan-javatra maro nanamatroka ity fifidianana ity. Nanoratra i Jentilisa fa maro ny taratasy fanamarinana ny isam-bato no voasonia mialoha ny fametrahana ny isam-bato azon’ny tsirairay. Mody aloha ny mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana ka tsy mahara-maso akory ny voasoratra ao amin’ny taratasy izay halefa any amin’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ary izany no mety hiteraka fiovan’ny valimpifidianana.

Fitokisana an-jambany fotsiny noho izany raha mahita ny isa eo amin’ny tabilao dia lasa mody nefa ny taratasy alefa any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana sy ny minisiteran’ny atitany mety ho hafa mihitsy. Eo izany no fiarovana ny safidy nataon’ny tsirairay voalohany indrindra. Miainga eo amin’ny biraom-pifidianana ihany.

Etsy ankilan’izany, ireo izay nifidy raha tsy manaraka ny isam-bato sy izay soratan’ireo delege sy mpanisa vato ary mpanara-maso ny fifidianana dia tsy mahatsapa ny andraikiny fa tsy mijanona eo amin’ny fandrotsaham-bato akory ity fifidianana nataonao tamin’iny andro iny. Amiko ny tsy fanarahan’ireo nandrotsa-bato ny valim-pifidianana ao amin’ny birao nifidianany dia tahaka ny fanekena avy hatrany izay soratan’ireo mpampita ny isa any amin’ny tompon’andraikitra mahefa. Ny nahavariana ahy manko dia tsy nisy niteny ny delegen’ny kandida rehetra, ary tsy nametraka ny isa mialoha vao manome ny taratasy hosoniavina ihany koa. Izay zavatra hitako izay no nahatonga ahy hanao ny lohateny hoe fangalaram-bato ifanarahana izy ity ka miainga avy amin’ny mpifidy tsirairay mihitsy izany fifanarahana izany ary mipaka any amin’ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pifidianana tsirairay avy ihany koa.

Mialy Andriamananjara

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.