Kôrea : Mifindra avy any Afghanistàna ny resaka

Tamin'ny Alahady 30 Septambra 2007, dia nohavaozina ho eo amin'ny toerany indray ho pasitora mpitondra fitandremana ao amin'ny fiangonana Saemmul church, ilay pasitora naniraka mpitoriteny antsitram-po Kôreana 23, izay nisy naka an-keriny tany Afghanistàna. Io no narararaotin'ny mpiblaogy sansantsasany hiverenana tamin'iny raharaha sarotra iny.

결국 예상대로 된것같네요…
샘물교회에서는 93%이상의 지지를 받아 박은조 목사님이 재임용되었습니다
아무리 배타적이고 이기주의인 한국기독교라 하지만
국가적재앙수준이었던 피납사태의 주체적인물이었던 박은조 목사가
공산주의에서나 볼수있는 90%이상의 지지율로 재임용된 사건은
종교이전에 참된민주주의 대한민국에 사는 한 시민으로써 심한 괴리감이 듭니다.

개인적으로 교인도 아니고 박목사를 알지도 못합니다
얼마나 신앙심이 깊은 선지자이신지, 또 얼마나 주위를 보살피는 분인지 저는 잘 모릅니다
하지만, 정말 자숙하고 반성하신다면
처음 피납당시의 초심으로 돌아가 교계를 떠나심이 오히려
많은 비기독교인들의 눈에 한국기독교의 희망이 그나마 남아있음을 느끼게하지 않을까여?

무엇에 그리 집착하십니까?
정말 아직도 구원해주어야 할 어린양들이 그렇게 많아서입니까?
아님 그동안 쌓아놓은 교회의 자산이 아까우십니까?
잘은 모르오나 교인 3000이상의 샘물교회 담임목사이셨으면
아마도 꽤 오랜기간 목회활동 안하셔도 잘 사시리라 믿습니다…

Io ary ilay efa nahatahorako.
Ny pasitora Park Eun-jo izay mpitondra fitandreman'ny fiangonana Saemmul Church, dia nohavaozin'ny mpiangona tamin'ny taha 93 % tamin'ity indray mitoraka ity. Fantatro fa tokam-po sady miaro ny rambony tsy ho tapaka ny kristiana Kôreana, kanefa dia iny pasitora iny mihitsy anie no tena tompon'andraikitra voalohany tamin'iny voim-pirenena iny e, tamin'ny nakan'ny sasany an-keriny ireo mpitoriteny tany Afghanistàna. Tena mitovy amin'ny any amin'ny tany kôminista, rehefa mba misy fifidianana dia mihoatry ny 90% ny tahan'ireo mpifidy azy. Anefa amin'ny maha olon-tsotra miaina amin'ny rivotra demôkratika ahy, dia tsapako fa tena lavitra io fiaraha-monina mpivavabavaka io mihitsy aho.
Tsy mba kristiana aho, ary tsy mahalala io pasitora io akory. Tsy fantatro koa izay halalim-pakan'ny finoany na izay fitsinjovany ireto ondry manodidina azy. Fa raha mba nandini-tena kely monja izy, dia ho efa nandao ny toerany miaraka amin'ny toe-tsaina izay nasehony tamin'ireny fanombotombohan'ny raharaha fakana an-keriny ireny. Izany fihetsika izany dia ho porofo velona hoan'ireo tsy kristiana fa mbola misy azo antenaina ihany amin'ny fivavahana kristiana eto Kôrea.
Fa dia inona loatra re no mahatamana azy ka amikirany mafy io sezany io e ?
Dia mbola betsaka tokoa ve ireo ondry mania sady osa izay mila ny famonjeny ? Sa sarotra aminy loatra ny mamoy ireo fananam-piangonana izay nangoniny ? Tsy dia tena fantatro tsara moa, fa araky ny fahalalako azy dia toa 3'000 mahery ny mpiangona ao aminy. Izaho anefa dia mino fa ho tsara ny fiainany lavitra ny raharaha pastoraly.

Ny fampitahana ny fivavahana kristiana amin'ny kôminisma dia tsipahin'ny mpiblaogy sasany.

공산당이라….. 지나친 데요.
교회투표는 정치권 같은 데서 하는 투표랑은 다릅니다.
비리나 인물에 심각한 문제가 있지 않는 이상 왠만하면 재신임 됩니다.
오히려 목사가 재신임 되지 않는 게 재앙으로 느껴질 정도로 놀랄 일입니다.
목사가 바뀔 경우 그 교회 다니는 사람들이 많이 다른 교회로 옮기죠.
더군다나 샘물교회는 박은조 목사가 세웠는데……

정치권에서 하는 투표랑은 다른 것이 대통령의 경우 대통령이 맘에 들지 않는 다고 다른 나라로 이민을 갈 수는 없지만 교회는 교회다니는 사람들이 세운 것이 아니라 목사가 세운 것이 대부분이다 보니
교회다니는 사람들은 목사가 맘에 들지 않으면 다른 교회로 옮기고 마는데 7%의 반대나 있다는게 오히려 놀라운 일이죠

Kôminisma hoe … sao dia mba henjana loatra izany. Samihafa mihitsy ny fifidianana ara-politika sy izay mipetraka eo anivon'ny fiangonana. Satria raha toa ka tsy mbola misy olana na ara-pitantanam-bola na ara-pitondratena ilay pasitora dia rariny ny anavaozana ny toerany. Ho gaga aza ny mpiangona raha toa tsy avaozina amin'ny toerana izy. Raha toa indray moa ka afindra toerana izy, dia tsy ho vitsy ireo mpiangona no hifindra fiangonana tsotr'izao. Fanampin'izany, izy no angady nanànana sy vy nahitana tamin'ny fanorenana ity fiangonana Saemmul Church ity. Ny tena mahasamihafa azy amin'ny fifidiana ara-politika koa dia na atao aza hoe tsy azoazon'ny sasany aza ny filoha voafidy dia tsy mifindra firenena izy ireo. Ny fiangonana kosa dia naorina pasitora fa tsy mpiangona. Ka raha tsy tiany intsony ny pasitora dia miova fiangonana avy hatrany ireo mpiangona ireo. Raha izaho manokana dia ireto tahan'ny mpanohitra mahatratra 7% aza no somary mahavariana ahy.

Ireo fomba fijery samihafa avy anatiny sy ivelan'ny sehatra kristiana no resahin'ity mpiblaogy hafa iray ity.

만일 박은조 목사가 극악무도한 짓을 저질러 교회에서 퇴출되었다면 또 모를까…. 교회라는 지극히 종교적인 틀안에서보면, 피랍자들이나 그들을 보낸 교회측이나, 절대로 잘못된 행동이었다는 생각을 할 수가 없습니다..

교회에서의 제1의 덕목은 “복음전파”이고, 때문에 많은 신도들이 알게 모르게 선교를 통한 전도를 행하는것이며, 이는 절대로 비판의 대상이 될수가 없습니다… 이런 행위 자체를 비판한다고하면 이미 그것은 기독교의 교리를 벗어난 행동이고, 이단이며 사이비인데, 이런 생각으로 똘똘뭉친 저들이 어떻게 박은조 목사 및 피랍자들을 비난할수가 있겠습니까?

오히려 아무나 하지 못하는 오지에 가서 선교를 실천한 그들이거늘… 이는 국가의 법을 어겼든 가족을 배반했든.. 그 어떠한 희생이 따르는 일이었다 하더라도, 최소한 기독교 세계에서는 “영웅”의 행동이었을 것이며, 앞으로도 그들을 더욱더 추앙하면 했지, 절대 비판의 칼날을 내세울 리가 없는 것이죠…

어느 신문기사에 실린, 이번 사건에 대한 사설을 읽게 되었는데… 그 사설의 논조는 이번 피랍사태를 비난 하는 사람들은 반기독교 세력들이고, 중산층 이상 대부분의 상류층은 기독교 신자인 관계로, 가난하고 가진것 없는 반기독교 세력들이 가진자들에 대한 증오가 잘못 표출되어, 이렇듯 비 상식적인 비난이 이어진다는 것이었습니다… 불교신자든 혹은 통일교를 믿든 JMS를 믿든 대순진리를 믿든… 아니면 아무런 종교가 없더라도 풍요로운 삶을 사는 사람들이 많이 있거늘…

Tsy maintsy ho samihafa ny valim-pifidianana raha toa ka nahavita heloka be ity pasitora ity. Araky ny fomba fijerin-dry zareo mpiangona na ireo mpitoriteny nalain'olona an-keriny na ny fiangonana dia samy tsy nanao fahadisoana. Satria ny andraikitra voalohan'ny fiangonana dia ny fanaovana « tafika masina » [FANAMARIHANA: fitarihana izay tsy mbola kristiana ho isan'ny mpino]. Noho izany na fanahinian'izy ireo na tsia, rehefa manatanteraka ny asany ireo mpino dia tsy azo kianina. Satria raha manakiana izay fomba fanaony izy, dia midika izany fa tsy manaraka ny fampianarana kristiana intsony ry zareo fa manaraka fampianaran-diso. Amin'ny fomba ahoana ary no anantenantsika fa hanakiana ny pasitora sy ireo npanao tafika masina ireto mpiangona ? Manao tafika masina any amin'ny firenena lavitra any ry zareo … n'inoninona làlana mipetraka any an-toerana nodikainy na koa famadihana ireto fianakaviany tavela aty aoriana, ary na manao akory fijaliana tsy maintsy nozakainy, izany indrindra aza no tena heverin-dry zareo ho fitondratenan'ireo « kristiana maherifo ». Vao mainka aza ireo kristiana ireo haka ireto olona ireto ho ohatra ary tsy ahoany izay tsindrona sy fanakianana atao azy.

Misy lahantsoratra an-gajety iray novakiako. Ny votoatin'ilay lahantsoratra dia manambara fa ny ankamaroan'ireo olona izay tezitra noho iny raharaha, fakana an-keriny iny, dia mpankahala-kristiana. Ireo sangan'ny fiaraha-monina sy ireo olona antonotonony mantsy dia kristiana ny ankabeazany, noho izany, ataon'ireto mpanohitra-kristiana izay mahantra ho fitaovana ity raharaha ity hanehoany ny tsy fankasitrahany ireto avo saranga ireto. Izany no antony tsy mety mampitsahatra ireo fanakianana ireo, hoy ny fanazavan'ity lahantsoratra ity. Iza koa anefa no miraharaha na Bodista izy, na mpino ny « Fampiraisana » izy, n'inoninona finoany ? Sady firifiry koa ireo olona manankarena sy miadana anefa tsy mpanaraka fivavahana akory …

Ity fifidianana fanavaozana ny toeran'ny pasitora ity dia nampivoatra raharaha hafa koa izay mbola mifandray amin'ity resaka fakana an-keriny ity ihany.

…아프간 현지 언론은 두 명의 인질이 조건없이(?) 석방되기도 한참(2주)전에
그들이 강간당했다고 보도했다.
http://www.afghanlord.org/2007/08/korean-hostages-raped-by-taliban.html
심지어 한 네티즌은 의혹과 관련하여,
“피랍 여성들 중 생리를 안하는 두 명만 먼저 석방한게 아니냐, 정확히 피랍후 한 달여 만에 석방된것도.. 만약 피랍 사태가 장기화 되면 3개월 이상 된 여성은 석방후 아이를 낳아야만 하는 상황이 되기에 급했던거 아닌가?” 라는 억측을 하기도 했다.
두 명은 언론과의 접촉을 완전차단한채 국군 수도병원의
대령급 이상 입실 가능한 특실에서 산부인과 검진 등을 받았다.
ABC News는 이 두 인질들이 반복적으로 강간당했다고 진술함에 따라
한국 정부의 탈레반 협상 노력이 급물살을 탔다고 보도한다.
http://www.abcnews.go.com/International/story?id=3549862&page=1#comment
국내 언론에서는 일언반구 의혹제기도 없었던 사실이
외신에 의해 증인까지 갖추어 보도되자 국민들은 허탈해 했다.
하지만 이에 대해 피랍자들은 ABC뉴스를 명예회손죄로 고소하겠다고 나섰다.
http://news.media.daum.net/society/affair/200709/03/newsis/v17994150.html
그리고,
http://www.freezonenews.com/news/article.html?no=19624
이 같은 보도에 대해 ABC뉴스 한국지국의 한 관계자는 3일 < 프리존뉴스>와의 통화에서 “잘 모르겠다”고 답했다. 그는 “(아프간에서) 현지 기자가 소식통을 통해 나름대로 정확하다고 판단했기 때문에 기사화한 것 아니겠느냐”며 “그건 본사 데스크에서 판단할 것이다.”라고 말했다….
있지도 않은 사실로 인해서,
아직까지 강간당한 여성은 무언가 특별한 것을 잃은 낙인찍힌 존재로 여겨지고,
시집조차 제대로 가지 못하고 더럽다고 욕먹는
우리 나라의 후진적인 페미니즘으로 인해서,
피랍자들이 이중적인 고통을 당한다면 얼마나 불행한 일인가..

Nambaran'ny fampilazam-baovao Afghanistàna ary fa ireo vehivavy roa izay nafahany mialoha dia naolan'ireto mpaka an-keriny mandritra ny roa herinandro talohan'ny hamotsorany azy. Misy aza « mponinin'ny aterineto » izay sahy manambara fa « moa ve ny tsy fihavian'ireto vehivavy roa ireto ara-potoana no antony namelana azy ireo havotsotra mialoha ? Matoa volana iray kitroka ny fe-potoana namotsorana azy ireo dia satria natahotra ry zareo mpaka an-keriny sao bevohoka sy ho teraka eo ihany ireto vehivavy raha toa ka maharitra loatra ny adivarotra momba izay tokony ho takalom-bola hamotsorana ireto nalaina an-keriny .»

Ireo vehivavy roa ireo dia tena nalavirina ny fampahalalam-baovao mihitsy no sady nentina hatao fanadihadiana ara-pahasalamana akaiky any amin'ny hopitali-miaramila miafina.
Nampitain'ny ABC News ary fa niaiky ny nanolanana azy ireo ireto nalaina an-keriny ary koa nihamalefaka koa ny adivarotra momba ny famotsorana taorian'izany zavatra nitranga izany.

Tsy mba fampahalalam-baovao namoaka ireo vaovao ireo aty Korea, kanefa satria ny fampahalalam-baovao vahiny dia nanaparitaka izany vaovao izany sady narahina fijoroana vavolombelona, dia tsy fantatry ny vahoaka ihany izay tokony inoana.

Raha ireto vehivavy nalaina an-keriny kosa dia namoaka fanambarana ny hanarakarahany ara-pitsarana ny ABC news nohon'ny fanalam-baraka nataony azy ireo.

Farany,

Mbola momba ity raharaha ity ihany, raha nanontanian'ny Freezone News tamin'ny telefaonina ity mpiasa iray ao amin'ny sampana Koreana ny ABC News, tokony ho tamin'ny roatokom-bolan'ny volana Septambra teo, dia izao no navaliny, « tsy dia fantatro loatra ny mombamomba ity raharaha ity ». Sady mbola nampiany hoe « matoa navaokany ho vaovao io dia tsy maintsy noheveriny fa azo ifaharana ho marina ny resaka voarainy » sy ny hoe « teni-midina avy any ambony io .»…

Nohon'ny resaka izay tsy voaporofo akory ve, dia ho voatondrotondro molotra ho toy ny very zavatra tokana ireto vehivavy roa ireto. Ary nohon'ny fanindrahindrana ny maha-vehivavy izay mitoetra dia mety misy fiheverana ireto vehivavy ireto ho toy ny maloto, ka tsy mendrika ny halaina ho vady intsony. Tsy tambo ny efa nahazo azy ireo ka angamba mba tsy rariny loatra raha toa ka hampisedraina fampijaliana hafa fanampiny indray ireto vehivavy roa efa nisy naka an-keriny ireto!….

4 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> tomavana

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.