Myanmar: Mifampitifitra ny miaramila

Nametraka rohy milaza ny vaovao avy any Myanmar i Yangon Thu (avy tamin'i Mizimma ao Birmanie na Myanmar ihany) fa misy mifampitifitra ny samy ao amin'ny tafika. Voalaza koa fa misy andia-tafika avy ao afovoan'i Myanmar sy avy any atsimo atsinanana no mizotra ho any Rangoon renivohitra. Mihabetsaka ny tsaho milaza fa efa misy fisamatsamahana ao amin'ny tafika Birmana ao ary misy Jeneraly mifanandrina amin'izany.

Preetam Rai

2 hevitra

  • Mety hisy fanampim-baovao avoakan’ny mpanoratra amin’ny teny anglisy ihany fa raha fehimpehezina ny voalaza ao amin’ilay rohy dia manao tahaka izao:

    Tsy manaiky ny baiko avy amin’ny filohan’ny Etamazaoro Jeneraly Thang Shwe hitifitra ny vahoaka ny lefiny ao amin’ny Etamazaoro ihany dia ny Jeneraly Maung Aye sy ny vondrona manarak azy.

    Ireo andia-tafika nifandona ihany koa dia ny tao amin’ny vondro-tafika faha 33 (jereo ao amin’ny tafika nankany Mandalay) sy ny faha 99. Tsy tena fantatra ny tena anton’ady aloha.

    Ny amin’ireo tafika mizotra ho ao Rangoon renivohitra dia tsy fantatra na hanampy ireo izay efa ao izy ireo na hifandona aminy ihany koa.

    Izay aloha no azo lazaina amin’ireo vaovao ireo!

  • […] facilement contrôlables par les Régimes et empêcher que des crimes comme en Birmanie se […]

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> Jentilisa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.