26 Septambra 2007

Tantara tamin'ny 26 Septambra 2007

Sina : Toeram-pitrandrahana Saribao Ankalamanjana

  26 Septambra 2007

Ny Bilaogin'i Tempoly Tigra, dia namoaka fanadihadihana mikasika ny toeram-pitrandrahana saribao an-kalamanjana ao Shanbei. Ireo lavaka nateraky fitrandrahana dia nanova tanteraka ny endrik'ilay toerana. Ny tatitra dia amin'ny teny sinoa, saingy mirakitra sary maro samihafa mety hahaliana anao. Oiwan Lam 

Rotaka tany Kampala

  26 Septambra 2007

Ny blaogy Random Acts of Penmanship[En] dia nametraka tamin'ny aterineto sary maro momba ny rotaka tany Kampala. “Teo am-pisakafoana aho tamin'ny maraina no nahare antson'ny namana iray mampahafantatra ny rotaka ao an-tanàna. Nateliko haingana ny sakafoko ary nirohotra tany an-tanàna aho nanao fanangonam-baovao an-tsary”. Ndesanjo Macha

Mibilaogy amin'ny teny vaovao (Patwa)

  26 Septambra 2007

Hatramin’ny nanombohan’ny global online conversation no efa niadian-kevitra izay mety ho vokatsoa sy vokadratsy azo avy amin’ny fivoaran’ny haitaom-pampitam-baovao misy ankehitriny manoloana ny karazam-pitenenana rehetra misy. Amin’ny lafiny tsara, ahafahana mifandray sy mifanakalo hevitra hampiroboroboana sy hiarovana ny teny manokana ananan’ny vondrom-bahoakam-paritra ny aterineto. Ny mety haharatsy azy kosa indray...